Taratra

Ambatolampy : jiolahy dimy nidoboka am-ponja

Naiditra am-ponja ireo jiolahy anisan’ny mampihorohoro amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao amin’ny kaominina Antakasina, Am­batolampy, ny 27 marsa teo. Nanao fanafihana tao amin’ny fokontany Ambololon­drano, nanaparitaka bala tsy nipoaka ity fikamban-jiolahy ity, ny 19 marsa lasa teo. Tsy nanana fitaovam-piadiana izy ireo saingy nampihorohoro ireo manodidina fotsiny iha­ny. “Milaza ho manana […]

Jly Ranjeva : nizara traikefa tamin’ny mpianatry ny Acmil

Tonga nitsidika sy nizara traikefa tao amin’ny Akade­mia Miaramila (Acmil) Antsi­ra­be, ny talata teo, ny Jly Ranjeva Marcel (efa misotro ronono). Nandray azy ny kaomandin’ny Acmil, ny Jly Pikulas Démosthène. Nisy fifampizarana nataony tamin’ireo mpianatra ho manamboninahitra. Notsindriny ma­nokana ny etika sy ny toe-tsaina maha manamboninahitra rehefa mivoaka ny sekoly. […]

Fampiasana basy tsy ara-dalàna… : transitaire sy ny namany naiditra ao Ambalatavoahangy

Natolotra ny fampanoavana, ny alatsinainy teo, ny ra­haraha nahavoarohirohy mpan­draharaha iray misahana fampidirana sy famoahana entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina “transitaire” sy ny namany iray hafa. Voasaringotra amina raharaha fandrahonana hamono tovovavy telo amin’ny alalan’ny tifitra variraraka izy ireo. Taorian’ny fanadihadiana teo anivon’ny fampanoavana, samy naiditra am-ponja izy roa lahy. […]

Ankadimbahoaka : mpitondra bisikileta maty voahitsaky ny kamiao

Namoa-doza ny kamiao iray nihazo ny fasan’ny karana, omaly. Lehilahy mpitondra bisikileta iray no maty tsy tra-drano rehefa nifatratra tao ambanin’ny kodiaran’ilay fiarabe. Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tetsy Ankadim­bahoaka, teo anoloan’ny orinasa iray teny an-toerana, omaly. Maty tsy tra-drano voa­hitsaky ny kamiao tamin’izany ny lehilahy iray nitondra bisikileta. Kamiao lehibe iray […]