Nitondra fazavana amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Ceni. Anisan’izany ny momba ny fanehoan-kevitra nitsikera azy ireo tato ho ato. «Fomba fijerin’ny mpanao politika ny hoe tsy azo antoka ny Ceni, mila ovaina ny firafitra sy ny mpikambana. Ny hoe tsy azo antoka: tena manao fanahy […]
Taratra
CUA : nanamarika ny fahatsiarovana ny 29 marsa
Anisan’ireo nanamarika ny tsingerin-taona faha-76 ny 29 marsa 1947 ny fiadidiana ny Tanànan’Antananarivo. Niaraka nankalaza izany tetsy amin’ny tsagambato fahatsiarovana Ambohijatovo ny Praiminisitra Ntsay Christian sy ireo mpikambana sasany eo anivon’ny governemanta ary ireo lehiben’ny Andrimpanjakana sy ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra. Teo koa ireo manamboninahitra sivily sy miaramila ary […]
Ady any Ukraine: tsy miova ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy i Russie
“Manaja ny politikan’ny raharaham-bahinin’ny firenena malagasy izahay ary tsy manery ny firenena tsirairay amin’ny safidiny”, hoy i Andreev Andrey Vladimirovich, masoivohon’i Russie eto Madagasikara. Tsy mampiova ny fiaraha-miasa nisy teo amin’i Rosia sy ny Malagasy hatramin’izay ny zava-misy ankehitriny, na dia nisafidy ny tsy hiandany aminy aza i Madagasikara, manoloana […]
Mba tsy hampidinina an-dalambe ny adihevitra
Hanao ahoana ny ho tohin’ny fakan-kevitra hanatsarana ny zotram-pifidianana? Samy miaiky ny maha zava-dehibe izany ireo mpiantsehatra, samy manaiky ny tokony hanohizana azy. Ho hita eo… Na ahoana na ahoana, politika io: tsy ilaozan’izay paipaika sy kajikajy. Arakaraka ny fifandanjan-kery, ny fivoaran’ny toe-draharaha, ny tanjona kendrena. Tena izay hisian’ny filaminana […]
Bala maro sy basy 4 very: voaroba ny fitoeram-basin’ny fonja
Nisy nandroba ny trano fitoeram-basy ao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly. Very tao an-toerana ny basy miisa efatra sy ny bala maro. Tsy mampino! Very tao amin’ny fonjan’i Vavatenina, afakomaly, ny basy Mas 36 miisa telo niaraka tamin’ny bala 59. Nisy nangalatra ihany koa ny basy poleta iray sy ny bala […]




