Tontosa ny fandraisana ny sary sy ny feo. Tafavoaka ny DVD renihira an’ny tarika Dadalora Manalalondo. «Ito ny vokatra voalohany DVD renihira navoakanay ho an’ity andrarezin’ny hiragasy ity. Goavana be ny tarika Dadalora Manalalondo eo amin’ny hiragasy. Lehibe tahaka izany koa ity DVD renihira ity satria fitaovana anisan’ny tsara no […]
Taratra
“Dictée de la Francophonie”: efa manana ny toerany ny teny frantsay
“Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa ho feheziko”. Efa mahafehy ny teny frantsay tokoa raha ireo mpifaninana taminy ity hetsika ity, indrindra ny ankizy. Miezaka hatrany ny tomponandraikitra mampiakatra ny lentan’ny fifaninanana hahatsaratsara kokoa izany. Tontosa ny 27 marsa 2023, teny amin’ny Alliance Française d’Antananarivo Andavamamba, ny famaranana ny fifaninanana […]
Nahomby ny fiarovana : niverina hita indray ny vorona Ankoay
Nitsangana ny fiandohan’ny volana marsa teo, ny vovonana Firaisankina ho an’ny faritra arovana eto Madagasikara (CAPM). Tanjona ny hanairana sy ny hampahafantarana ny rehetra ny lanjan’ny fiarovana sy ny lanjan’ny biby sy ny zavamaniry eo amin’ny lafiny toekarena maharitra eto amintsika. Hasogandina amin’izany ny fitantanana sy ny fiarovana mahomby amin’ny […]
Taninketsa indostrialy : hanodina tantely koa ny ao Alakamisy Fenoarivo
Tontosa ny 28 marsa 2023 ny fametrahana ny orinasa mpanodina tantely ao amin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo, distrika Atsimondrano, ao anatin’ilay tetikasam-panjakana momba ny fananganana indostria iray isaky ny distrika na ny ODOF*. Niara-nientana tamin’ny minisitera misahana ny indostria sy ny Fivmpama (Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy) ny kaominina Alakamisy Fenoarivo amin’ny fametrahana […]
Vokatra ny paoma : 1000 Ariary ny kilao any Antsirabe
“Manodidina ny 1000 Ariary ny kilaon’ny paoma any Antsirabe amin’izao fotoana izao”, hoy i Line, mpamboly sy mpamokatra avy any an-toerana raha nantsoina tamin’ny finday, omaly. Mahatratra 3500 Ar hatramin’ny 4500 Ar ny kilao eny amin’ny mpivarotra antsinjarany raha eto Antananarivo. Manodidina ny 2500 Ar hatramin’ny 3000 Ar kosa izany […]




