Taratra

Manjaka ny asan-jiolahy any Toamasina : mety hiaka-bidy ny zavatra ilaina andavanandro PPN

Mifamahofaho ny lafiny famatsiana entana eto Toamasina. Mitaky ny hahalalana ny marina momba ny famonoana ilay teratany indianina ny mpandraharaha namany. Mety hisy ny ankivy hataon’izy ireo, tsy hahatongavan’ny entana ilaina andavanandro PPN. Mirongatra ny asan-jiolahy eto Toama­sina. Manaitra ny fanjakana sy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny ny mpandraharaha karana, hijery haingana […]

Fampitaovana ny mpamonjy voina : miara-miasa ny CUA sy ny Frantsay

Nahazo fitaovana vaovao hanampy ireo efa ananany hoentina miatrika ny famonoana afo ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Fiaraha-miasa amin’ny fitantanana frantsay (SDIS 87 service Départemental d’incendie et de secours Haute Vienne) no nahafahana nisitraka ny fanamiana vaovao. Akanjo 617, pataloha 445, 14 kosa ny «parkas» ary akanjo fanao anaty […]

Loto any amin’ny lakandrano : misy akora simika mitera-doza ho an’ny fahasalamana

Nitondra fanazavana ny tetikasa Produir ny amin’ny maha zava-dehibe ny fanadiovana ny lakandrano C3 izay misy akony amin’ny fahasa­lamam-bahoaka. Fantatra tamin’izany fa ahitana karazana loto simika sy biolojika ny fotaka voatahiry ao anaty lakandrano. Rakotra fako mifangaro amin’ny fotaka anefa ireo singa notsongaina tao ireo. Mitondra loza eo amin’ny tontolo […]

Fiainana ara-pinoan’ny tanora: “Mbola mila fanarenana”, hoy ny kardinaly

Nandritra ny alahady fahadimin’ny karemy, nankalaza ny faha-100 taona niorenany ny fikambanana Antilin’i Madagasikara manerana ny Nosy. Sehatra iray anabeazana ny ankizy sy tanora amin’ny alalan’ny finoana sy fiainana ny skotisma izay tokony ho hita taratra isan’andro amin’ izay rehetra misy azy ireo. “100 taona aty aoriana, tsy hita taratra […]

Tetikasa Avotse : nanome koba 7 t ny Groupe CFAO Madagascar

Nanatevin-daharana ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny tetikasa Avotse ho fanampiana ireo ankizy mpianatra any Atsimo tohanan’ny fikambanana Fitia koa, manomboka izao, ny groupe CFAO Madagascar. Nanolotra koba 7 t entina hanampiana ireo toeram-pisakafoana an-tsekoly any Atsimo izy ireo hanatevina ny vary sy laoka efa zaraina isan’andro ho an’ny mpianatra, ny talata lasa […]