Iza izy ? Ben’ny Tanàna any Bemanonga, Morondava i Lovamanitra Ony Gloria. Anisan’ny mankafy mandihy ary tia ny gadona rehetra afa-tsy ny Rap sy ny Rock’n’roll. Fialamboly tiany ny mitsangantsangana. Mankafy ny sakafo rehetra koa ity vehivavy ben’ny Tanàna ity. Na izany aza, tsy azoazony loatra ny saosy voatabia. Manana […]
Taratra
Etazonia sy Madagasikara : mafy orina ny fiaraha-miasa ara-tafika
Nanamafy ny endri-piaraha-miasa sy ny fomba entina hanatsarana ny fiaraha-miasa efa misy hatramin’izay eo amin’ny Tafika Malagasy ny Amerikanina, nandritra ny fihaonana teo amin’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo sy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, afakomaly, teny Ampahibe. Nambaran’ny MDN fa matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa […]
Fihaonambe hotarihin’ny FFKM: “Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana”
Nohamafisin’ireo filoham-piangonana indray… Hiroso any amin’ny fihaonambe hamoriana ireo zanany ny eo anivon’ny FFKM. Mirona any amin’ny “Ady gasy” izy ireo amin’izany. “Irin’ny FFKM ary efa antso nataony ny hisian’ny fihaonana eo amintsika samy Malagasy. Mahamenatra raha isika samy isika no tsy mahita vahaolana malagasy amin’ny olantsika. Iombonana ity firenena […]
Ratsiraka Annick: “Latsaka an-katerena ny firenena”
Nanamarika ny faha-76 taonan’ny 29 marsa 1947 koa ny eo anivon’ny Arema. Nambaran’ny sekretera nasionaly (SN), Ratsiraka Annick tamin’izany fa very ihany ny ampahany tamin’ny finiavana hanavotra ny firenena tao amin’ireo tia tanindrazana ireo. Samy resy lahatra isika fa tsy tokony ho tahaka izao ny toerana misy antsika raha mbola […]
Tanàna amin’ny RN4 : nanentana ny mpifidy hisoratra anarana Ravalomanana
Nanentana ireo olom-pirenena mba hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana, tamin’ity herinandro ity. Anisan’izany ny tamin’ny RN4, Mahitsy, Soaniadanana, Ankazobe iny. Notsiahiviny fa mbola ambany ny tahan’ny fisoratana ho an’ny any amin’ny faritr’i Vonizongo iny ka nanentanany ny rehetra handeha any amin’ny fokontany. “Hamarino ny anarantsika”, hoy […]




