Taratra

Kaominina Antananarivo Renivohitra : mbola malalaka ny tsena Petite Vitesse, hisy ny fanatsarana

Hanampy ny mpivarotra ao amin’ny Petite Vitesse hanatsara ny tsenany ny CUA. Mbola malalaka ny toerana ka tokony hiditra anaty tsena ara-dalàna ireo mpivarotra amoron-dalana. Mitohy ny fidinana eny ifotony ataon’ny ben’ny Tanànan’An­tananarivo Renivohitra, An­driantsitohaina Naina. Nitsi­dika ny mpivarotra teny amin’ ny tsena Petite Vitesse indray ny tenany niaraka tamin’ny […]

Hatsikana: hiaka-tsehatra indray i Lolosy Bonatsara

Mitohy hatrany ny hetsika “Hanomano Show, one man show”, iarahana amin’i Lo­losy Bonatsara. Ny Sa­gittarius Madagascar, toha­nan’ny ivontoerana miantsoroka ny fampiroboroboana ny kolontsaina no mikarakara ny hetsika. Eny amin’ny ADMC CRAAM Ankatso indray no hanatanterahana ny seho amin’ity anio ity. “Zay fotsiny e !” no lohateny sy teny enti-manentana ny […]

Fankalazana ny Taombaovao : nanome lanja manokana ny lambalandy ny Maiha

Anisan’ireo nanamarika, tahaka ny fanaony isan-taona ny taombaovao ny eo anivon’ny Malagasy iray hasina (Maiha). Hifarana anio ny hetsika fampirantiana ataon’izy ireo momba izany. Nosa­fidiana manokana tamin’ity indray mandeha ity ny momba ny lambalandy. “Anisan’ny manana ny lanjany sy hasiny teo amintsika izany. Misy dikany avokoa ny sorany sy ny […]

Hosantarina aty Antananarivo… : hiditra amin’ny andiany faha-8 ny « Fianar Reggae Festival »

Feno 10 taona amin’ity taona ity no nisian’ny hetsika «Fianar Reggae Festival». Hiditra amin’ny andiany faha-8 kosa ny fanamarihana izany, satria roa taona no tsy nisy ny hetsika. Hanao ezaka lehibe hamerina ity hetsika hoan’ny mozika reggae sy ny manodidina azy ity ireo mpikarakara sy mpanakanto ao Fianaran­tsoa, ny 8 […]

“Festival Dola Beach”: hiavaka ny hetsika amin’ity andiany ity

Tontosa teny amin’ny Campus Telma Andraharo, omaly, ny fampahafantarana tamin’ny mpanao gazety ny “Festival Dola Beach” andiany faha-11. Hatao eny amin’ny torapasik’i Vatomandry, ny 7 hatramin’ny 10 avrily 2023 izany. Ny fikambanana Dola Beach no mikarakara ny hetsika, miaraka amin’ny fanohanan’ny mpiara- miasa sy mpanohana samihafa. Hampiavaka ny amin’ity andiany […]