Lavon’ny les Fauves avy ao Centrafrique tamin’ny isa 3 no ho 0 ny Barean’i Madagasikara. Miampy isa telo ny an’ny ekipa mpandresy. Hotanterahina any Cameroun ny lalao miverina, amin’ny talata ho avy izao. Nalahelo sy kivy tanteraka ny vahoaka malagasy rehetra, nahazo vokatra ratsy ny ekipam-pirenena malagasy. Nomontsanin’ ny les […]
Taratra
Hetsika Tim, Antananarivo VI : “Tsy maintsy apetraka ny demokrasia”
“Ao anatin’ny tany demokratika isika. Tsy maintsy apetraka ny demokrasia, ary zon’olombelona izany: zon’ny olona ny mivory sy maneho ny heviny, miara-paly. Misy sy manantena izahay fa hisy ny fanajana ny zony”, hoy ny depiote Tim, Andriamampandry Todisoa, momba ny hetsiky ny Tim eny Ambohimanarina, Antananarivo VI, hatao rahampitso. Ao […]
Raveloson Constant : “Tsy azo ihodivirana ny fikaonandoha”
Nohitrikitrihan-dRaveloson Constant fa tsy maintsy ho tonga any amin’ny fikaonandoham-pirenena izao zava-misy izao. “Tsy azo ihodivirana izany ary ho tonga amin’ny tenieranan’ny rehetra”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ireo karazana fihaonana. Ao ireo miray feo ka samy tsy manaiky izao fitondrana izao. Ny hafa kosa manindry mafy fa misy tsy mety […]
Liberty 32 : “Havaozy ny lalàm-pifidianana”
Tapitra omaly ny atrikasa nataon’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo antoko politika maro samihafa. Nandritra ny 2 andro ny fihaonana tetsy Antaninarenina. Tanjona ny hikatsaham-bahaolana mahomby mialoha mba hahazoana fifidianana madio sy mangarahara. «Ilaina ny fanavaozana ny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana (LORGER) mandritra ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena”, hoy ny avy amin’ny Liberty […]
Ceni : “Notsirihina ny fahombiazan’ny rindrambaiko”
Nanazava ny fanaovana fitsirihana ilay rindrambaiko ho an’ny lisitry ny mpifidy ny eo anivon’ny Ceni. Nojerena tamin’izany ireo anarana mety miverina amin’izany. “Notanterahina ny fahazoana antoka ny rindrambaiko eo amin’ny fampiasana azy, ny fahombiazany rehefa ampiharina”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanaovana fitsirihana ny […]




