Mitohy hatrany ny fampahafantarana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao mampiavaka ny faritanin’i Mahajanga sy ny faritra Sofia, ao anatin’ny hetsika “Songadina”. Efa maro ny fomba sy kolontsaina nampahafantarina nandritra izay andro maro nanombohan’ny hetsika izay. Amin’ity anio ity, atrikasa mahakasika ny “Baoejy” no hita eny amin’ny Ivontoeran’ny kolontsaina malagasy […]
Taratra
Sivy taona aty aoriana : hivoaka ny sarimihetsika « Malok’Ila Le grand retour »
Taona 2014, niato ny famoahana ilay sarimihetsika «Malok’Ila» novokarin’ny Scoop Digital. Sivy taona aty aoriana, «amin’ny tapatapaky ny volana mey no hivoaka voalohany ny vokatra vaovao “Malok’Ila Le grand retour”», hoy Razafimandimby Mamitiana, tale jeneralin’ity orinasa mpamokatra sarimihetsika ity. Nohamafisiny fa : «hanaraka io ambaran’ny lohateny io ny tantara. Na […]
“Tana Design Week” : mahaliana ny tanora ny fampirantina
Miditra amin’ny andiany faharoa ny hetsika “Tana Design Week”, amin’izao fotoana izao. Hetsika tanterahina eny amin’ny Gara Soarano, nanomboka ny 11 hatramin’ny 18 marsa 2023. Mivelatra kokoa amin’ny any ivelany ity andiany ity raha oharina amin’ny teo aloha. Fiaraha-miasa eo amin’ny mpahay “ary raha” (design) malagasy sy vahiny avokoa ny […]
Tafita i « Sesily »…: hisedra irery an’Antsahamanitra ry Oladad
« Sesily » aloha izao no hira mampandihy, tian’ny tanora kanefa ankafizin’ny lehibe koa. Ity hira ity koa no nanosika ny Oladad hisedra irery an’Antsahamanitra amin’izay. Tsy fanombohana anefa, fa tohin’ny laza efa nipetraka io ho an’ny tarika. Hitan-dry zalahy ny lalana ! Efa an-taonany maro no niezaka nametraka ny […]
Pr Ranjeva Raymond : “Tsy misy marimaritra iraisana ny fitakiana ireo Nosy malagasy”
“Hatramin’izao, mbola misy mitaky an’ireo Nosy ireo. Tsy vitan’izany fa miteniteny foana, milaza hoe mitady marimaritra iraisana. Tsy misy marimaritra iraisana, fa an’ny Malagasy ireo”, hoy ny filoha lefitry ny Fitsarana iraisam-pirenena (CIJ) teo aloha, ny Pr Ranjeva Raymond. Tsy iadian-kevitra intsony eo anoloan’ny lalàna iraisam-pirenena ny maha malagasy an’ireo […]




