Taratra

Seces sampana Antananarivo : “Ajanony ilay « digitalisation » rehefa tsy voafehy”

Efa nanao fanambarana indray ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo fa afaka miverina manohy ny fampianarana ny eny Vontovorona amin’ny fotoana mahamety azy. Naneho hevitra momba ny tranga eny Vontovorona koa ny mpampianatra mpikaroka. Eo anatrehan’ny zava-mitranga eny Vontovo­rona ankehitriny, nanao fanambarana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces), sampana Antanana­rivo, ny faran’ny herinandro teo. […]

Jiu-Jitsu : hifantenana izay hanao « Mondial 2023»

Notanterahina tao amin’ny kianjakelin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, ny fifaninanana nasionaly “Nach No- Gi 2023” andiany voalohany, amin’ny taranja Jiu-Jitsu. Natao hifantenana mpilalao handrafitra ny ekipam-pire­nena malagasy hanao ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany na “Mondial 2023”, any Abu-Dhabi,ny 23 novambra ho avy izao ny fifanintsanana. Araka […]

Lomano – « Vive l’avenir » : zava-bita tsara indrindra iray no montsana

Nahomby ny fifaninanana lomano « Vive l’Avenir », an­diany faha-11, notontosaina tetsy amin’ny dobo filomanosana ANS Ampefiloha, ny faran’ny herinandro teo. Zava-bita tsara indrindra iray no montsana tamin’izany. Teo amin’ny hazakazaka mifampitohy, sokajy 14taona mi­hoatra vehivavy, izay vitan’i Fina­ritra, i Antsa ary i Estel­lah avy ao amin’ny klioban’ ny Managing. Tao anatin’ny […]

Rakotozafy Lalanirina Rosa: nanomboka tamin’ny fanatanjahantena tany an-tsekoly, lasa tompondakan’i Afrika

Mpihazakazaka malagasy nanomboka ny taona 1993, nitondra avo ny voninahi-pirenena na­nerana an’i Afrika.Tsy iza izany fa Rakotozafy Lalani­rina Rosa. Tsy nanana taranja manokana izy tamin’ny voalohany. Nanao Basikety, Volley ary ny atletisma no tena nifantohany. “Ny mpampianatra EPS ahy tamin’zany, M.Desiré na Radezy, no nitondra ahy nikotrana tao amin’ny Saint […]