Taratra

Orange Pro League : lavon’ny CFFA ny Zanakala FC

Notanterahina ny sabotsy sy omaly alahady ny andro fahasivin’ny fifaninanana “Orange pro league” (OPL) taona 2023. Lavon’ny CFFA Andoharanofotsy tamin’ny isa 2 no ho 1 ny Zanakala FC, Matsiatra Ambony. Lalaon’ny kaonferansy atsimo, natao tao amin’ny kianjan’ny El­geco Plus By-pass, omaly. Ny mpilalaon’i Fianarantsoa no nitarika tamin’ny isa 1 no […]

Tenisy ambony latabatra – «Afrique 2023»: nahazo volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 ny Malagasy

Tsara ny vokatra ho an’ny ekipam-pirenena malagasy, niatrika ny fiadiana ny ho tompondaka ho an’ireo firenena aty amin’ny tapany atsinanan’i Afrika, ho an’ny taranja tenisy ambony latabatra. Nan­drombaka medaly volamena 3 sy volafotsy 1 ary alimo 1 izy ireo. Fifaninanana, notanterahina tany Djibouti, nifarana omaly alahady. Nahazo ny tapakila hiatrehana […]

Judo-“Africa Cup”: tompondakan’i Afrika Rasoanaivo Razafy Laura

Nahazo vokatra tsara indray ny solontena malagasy, niatrika ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, notanterahina tany Tunis, ny 9 hatramin’ny 12 marsa lasa teo. Voahosotra ho tompondakan’i Afrika, sokajy Junior, Rasoanaivo Razafy Laura. Mitohy hatrany ny fametrahan-dRa­soa­naivo Razafy Laura ny anarany, eo amin’ ny sehatra afrikanina, ho an’ ny taranja Judo. […]

Mpihira malagasy : eto an-tanindrazana i Mamisoa R.

Razanajatovo Mamisoa, vehivavy mpihira momba ny “Lyrique”. Teratany malagasy, manorim-ponenana any Frantsa izy. Ao anatin’ny fandalovany eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, nisy ny fampisehoana notanterahiny teny amin’ny Café du Musée, Andohalo, nanamarihany izany fandalovany an-tanindrazana izany. Nianatra momba ny hira milamina sy ny lanton-kira frantsay ary ny “airs opera” tany […]

«Malgache» hosoloina «Gasitsara» : hisy fiantraikany amin’ny toekarena ny fanovana

Efa misy ny resy lahatra ! Tao anatin’ny taona vitsivitsy, maro amin’ny Malagasy no nahatsikaritra sy miombon-kevitra fa mila ovaina ny « Mal­gache » izay nohagasiana ho « Malagasy ». Namoaka ny voka-pikarohany ny Dr. Randriamahenina Fabrice, mpitsabo sady mpikaroka momba ny fomba amam-panao sy ny fiarahamonina mala­gasy, nanambara fa : «  « Ga­si­tsara » no tokony hiantsoana […]