Taratra

Haisoratra : andiany faha-XII ny “Zara Fanahy”

Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny « Volan’ny poezia », hanatanteraka ny he­tsika « Zara Fanahy » andiany faha-XII ny Faribolana San­dratra. Hahatratra 13 ireo mpandray anjara eny an-tsehatra, ny 25 marsa izao, ao amin’ny Cercle Germano-Malagasy, tohatoha­baton’An­ta­ninarenina. Omena lanja sy hasina ao anatin’ity antsa tononkalo ity ny tontolon’ny haisoratra malagasy. Ireo « mpizarafanahy » andiany faha-XII […]

Seho iraisam-pirenena: nahazo ako tsara ny fampisehoan’i Tayc

Am-bolana maro no efa nanomanan’ny mpikarakara sy ny mpankafy an’ity mpanakanto ity ny fampisehoana nataony teto Madagasikara. Ako miabo no azon’ny rehetra tamin’izany fampisehoana izany ary samy afa-po. Tonga maro nijery sy na­natrika ny fampisehoana nataon’i Tayc ny mpankafy azy, indrindra ny tanora, teto Madagasikara. Araka ny nanapoizana azy avokoa […]

Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana “

“Tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repobli­ka amin’ity taona ity. Fa­napahan-kevitry ny governemanta iray manontolo ny momba ny datim-pifidianana amin’ny fotoana mahamety azy”, hoy ny Praimi­nisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Cercle Mess Soa­nierana, ny faran’ny herinandro, taorian’ny fivorian’ ireo manamboninahitra tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika, nanomezana toromarika amin’ny fiatrehana izay mety […]

Randrianasoloniaiko Siteny : “Tsy voahaja ny demokrasia…”

Nitohy tany Fenoarivo Atsinanana, ny sabotsy teo, rehefa avy any Ikongo ny fidinana ifotony “Mihava Tour”, tarihin’ny depiote Ran­drianasoloniaiko Siteny. Hentitra ny nambarany ta­min’izany. “Tsy voahaja ny demokrasia. Tsy mipetraka ny fahalalahana eto amintsika eo amin’ny lafiny politika sy ny toekarana”, hoy izy. Nohitsiny fa voahitsakitsaka izany ka mahatonga ny […]