Taratra

Fampiatoana ny filohan’ny Repoblika : nolavin’ny HCC ny fangatahan’ny HCDDED

Namoaka ny fanapahany, manoloana ny fangataham-panazavana nataon’ny eo anivon’ny HCDDED ny ao amin’ny HCC ny faran’ny herinandro teo. Nolavin’ny avy etsy Ambohidahy izany. Tsy azo raisina ny fangatahan’ny filohan’ny HCDDED fa misy ny tsy fanajan’ny filohan’ny Repoblika ny And. 49 amin’ ny lalàmpanorenana, ka tokony hampiatoana amin’ ny asany azy. […]

Filoha Andry Rajoelina : naneho fitiavana ny any Atsimo Andrefana

Nitsidika ny any Atsimo Andrefana, nanomboka tao Toliara, ny filoha Rajoelina Andry mivady, ny faran’ny herinandro teo. Noporofoiny ny fitiavany ny any amin’iny faritra iny, indrindra taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Freddy. “Tsy mifanary isika ary tsy maintsy mifanampy na amin’ny mora na amin’ny sarotra”, hoy izy. Nanteriny fa tsy miova ny […]

Tany misy fanjakana… tan-dalàna

Tato ho ato, mirongatra be ny fanafihan-jiolahy, fakana an-keriny, vono olona… Tsy hita hovisavisaina sy hotanisaisaina. Ny mahavalalanina sy mahafanina: sanatria, toa mitady hanomboka tsy taitra firy intsony ny sasany mandre sy mahalala izany. Mitady hahazo vahana ny kolontsaina filalaovana aina? Efa izany eo amin’ny mpanao ratsy, matoa mandeha ho […]

Saika hiondrana antsokosoko : olona 22 hita faty narendriky ny sambo

Tafakatra 22 ireo olona hita faty taorian’ilay lozan-dranomasina teo anelanelan’Ankazomborona sy Nosy Faly, afakomaly. Ireo 24 hita velona kosa nitsoaka sy karohina noho ny tahotra. Faty olona niraradraraka. Nitrangana lozan-dranomasina mahatsiravina teo Ankazomborona, fokontany sy kaominina Beramanja, distrikan’Ambilobe, ny alin’ny sabotsy hifoha alahady teo. Rendrika teo anelanelan’ An­kazomborona sy Nosy […]

RN7: fiara niala tany nihotsaka nifandona

Olona valo naratra vokatry ny fifandonan’ny fiara tsy mataho-dalana iray sy taksibrosy teo amin’ny lalam-pirenena faha-7, PK-254 + 050, ny sabotsy teo tamin’ny 7 maraina. Avy any Atsimo ity fiara 4×4 ity ka sendra tany nihotsaka tao anaty arabe. Niala io tany io ny mpamily kinanjo nifatratra tampoka tamin’ny taksibrosy […]