Tsy mety fay mihitsy ! Soa ihany fa haingana ny fahatongavan’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany faharoa (CSP2), raha tsy izany saika matin’ny fitsaram-bahoaka ireo jiolahy roa avy namaky trano, omaly tamin’ny 5ora sy 30 mn maraina, teny Ambolokandrina. Tratra teny amin’izy roa lahy ireto ny gonibe iray feno […]
Taratra
Efa nahazo vola 1 600 000 Ar… : tratra ny lehilahy iray nisandoka ho mahatafiditra olona hiasa ao amin’ny PAC
Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahafito (CSP7) 67 ha teny Ankadindramamy, ny zoma teo, ny lehilahy iray 54 taona voarohirohy ho tompon’antoka tamina fisandohana andraikitra. Nahazo angom-baovao ny polisy miasa ao amin’ny CSP7 fa misy olona misoloky sy misandoka andraikitra. Rangahibe iray no tompon’antoka amin’izany. Milaza ity […]
Voasambotra ny iray : mpangala-bomanga matin’ny vahoaka
Voasambotry ny fokonolona ny mpangalatra vomanga roa lahy tao Atsinanantsena fokontany Ambatobe Fisahanana, kaominina Antanambao, ny faran’ny herinandro teo. Naka vomanga teny an-tanimboly, nahatratra 3 gony ireo entana sarona teny amin’izy mirahalahy. Sarona teo am-panatontosana io asa ratsiny io izy roa lahy. Raikitra ny fisamborana nataon’ny fokonolona. Nanohitra izany anefa […]
Fakana an-keriny : mitombo isa ireo karohina
Misesisesy ny anaran’olona hatao hazalambo momba ilay fakana an-keriny tao Ambohimanarivo, Morarano chrome, roa herinandro lasa izay. Taorian’ny namoahana ny didy fikarohana an’i Mahaleojaona Fanomezantsoa sy Mamy Tiana Landry Jacques. Ankehitriny, karohina fatratra ihany koa Rasolonjatovo Jean Charles na i Jady. Toy ny an’ireo namany roa lahy etsy ambony no […]
Namono mpianaka : olona efatra maty voatifitry ny zandary
Nirefodrefotra ny basy tao amin’ny kaominina Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, ny zoma hifoha sabotsy teo. Maty voatifitry ny zandarimaria ireo olona efatra tompon’antoka, namono nahafaty an’ilay renim-pianakaviana talen-tsekoly sy ny zanany vavikely. Nampivarahontsana ny tranga nahazo an’ireo mpianaka novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny talata teo, tao amin’ny fokontany Antanimena, kaominina Manakambahiny […]




