Taratra

Oniversiten’i Toliara : Hangarahara ny fampidirana mpiasa

Nandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, tao amin’ny oniversiten’i To­liara, ny herinandro lasa teo, nandray ireo toko telo ny te­nany. Ahitana ny mpianatra, mpampianatra ary mpan­draharaha izany, ahafahana manatsara ny tontolon’ny fampianarana ambony any an-toerana. Namaly ny fanontanian’izy ireo ny minisitra […]

Toetry ny andro : Misy ny fampitandremana momba ny alondrano

Manomboka mitoetra any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana ny alondrano ateraky ny tsioka atimo. Tombanana hiitatra miandalana any amin’ny morontsiraka afovoany andrefana sy atsimo atsinanana ary ny afovoany atsinanana izany. Hahery ny ranomasina amin’ny ankapobeny. Tomba­nana ho 3m ny haavon’ny onja, ny eo anelanelan’i Besalampy sy Mo­rombe, ny eo anelanelan’i Taolagnaro […]

Fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra : Nohatsaraina ny fitaovana ampiasain’ny mpanabe

Nandray atrikasa momba ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny tao amin’ny Lovasoa 4C, Antsirabe, ny herinandro lasa teo. Nampiarahina tamin’izany ny fampianarana ny fananahana eny an-tsekoly. Niompana tamin’ny fanabeazana feno ara-pananahana sy ny fanabeazana ho an’ny fiainana mirindra ny atrikasa notanterahina tany Antsirabe. Tan­jon’ ny mpikarakara ny hana­tsa­rana ny […]

Rugby- seksionina Marovatana : Tompondaka ny polisy monisipaly

Notontosaina, omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny lalao famaranan’ny seksionina Marovatana, taranja Rugby. Voahosotra ho tompondaka tamin’izany ny ekipan’ny polisy monisipaly, rehefa nandresy ny Fifita Anosivavaka Ambohimanarina, tamin’ny isa, 40 no ho 25. Raha hiverenana ny fifanandrinana tamin’ity, nanjakan’ny polisy tanteraka ny fifanandrinan’ny roa tonta. Ry zareo polisy hatrany […]

Mpanazatra Corentin Martins: Hanatrika ny ampahefa-dalan’ny « World Cola PFL »

Araka ny loharanom-baovao iray, ho avy eto an-tanindrazana, hijery ny tohin’ny fifaninanam-pirenena « World Cola PFL », ny mpanazatra ny ekipa nasionaly Barea, i Corentin Martins. Hiditra amin’ny lalao ampahefa-dalana, « Playoffs » ity fifanintsanana ity. Marihina fa fotoana iray izao ahafahan’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly mandinika ny mpilalao tokony hanatevina ny Barea A. […]