Fantatra omaly avokoa ireo klioba tsy hiatrika ny lalao sakana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions LDC 2026 ». Anisan’ ireo ekipa tsy maintsy hiatrika izany kosa ny Real Madrid, espaniola, ny Paris Saint Germain FC, frantsay, izay tompondakan’ny LDC farany teo. Tsiahivina fa resin’ny Benifica tamin’ny isa […]
Taratra
StarTimes : Fitantarana lalao amin’ny teny malagasy
Tolotra manakaiky vahoaka, natao ho an’ny Malagasy rehetra. Mitohy ny fitantarana amin’ny teny malagasy, ao amin’ny rohim-pandaharana fahitalavitra avoakan’ny StarTimes, ireo fifaninanana baolina kitra iraisam-pirenena, toy ny fifaninanana espaniola Laliga. Manatanteraka izany ny mpitantara matihanina, i Daniel Randriamaro sy i Edouard Ratovoson, fantatry ny maro hoe Rayest. Efa nanomboka tamin’ […]
Pureplay Football League : Tsy mandray lalao ny Kianja Rabemananjara
Tsy afaka hampiantrano lalao amin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny Kianja Rabemananjara Mahajanga noho ny fisian’ny korontana ataon’ny mpitsara vitsivitsy, izay mikomy any an-toerana. Nanapa-kevitra ny tomponandraikitra eo anivon’ny CFEM ny tsy hanisy fihaonana any an-toerana mandra-pahatonga ny lamina vaovao. Tapaky ny mpikambana eo anivon’ny Kaomisionina hikambanan’ireo klioba elita […]
INDRAY MIJERY
Araka ny vinavina, hitombo hery miandalana ilay andro ratsy ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ary tomombana amin’ny ankapobeny ny tontolo ivoarany. Mety ho lasa rivodoza izy, anio. Araka ny antontan-kevitra voaray, manambana mivantana ny faritra Avaratra Andrefana iny ity andro ratsy ity, rahampitso maraina. Entanina sahady ny mponina amin’ny faritra Boeny […]
Zo ara-pananahana : Ankilabao ireo manana fahasembanana
Mahatsiaro tena ho tsy misitraka feno ny zo ara-pananahana ireo vehivavy manana fahasembanana, raha ny nambaran’ny solontenan’ izy ireo, Raharivelo Lala, ao amin’ny fikambanan’ny vehivavy manana fahasembanana eto Madagasikara, Afham. Tsy mbola tafita tsara ny hafatra ho amin’izany sy ny fiterahana izay tokony hositrahin’izy ireo amin’ny maha olombelona azy. Mbola […]




