Na ny endriny fotsiny aza (eo amin’ny sary), mampihoron-koditra ny olona! Mitohy ny fanadihadiana, ataon’ny polisy ao amin’ny CSP2 Ambohijatovo, ilay jiolahy tratra namaky tranon’olona teny Faravohitra, afakomaly. Tratra teo am-pamakiana tranon’olona izy tamin’io fotoana io. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisy, ny alahady tamin’ny 11 ora sy 45 […]
Taratra
Fanafihana fiara: telo lahy maty voatifitry ny zandary
Maty voatifitry ny zandarimaria avy ao Maevatanana, afakomaly, ireo telo lahy saika hanafika taskiborosy avy ao Mahajanga hihazo ny renivohitra. Azo tany amin’izy ireo ny ody gasy maro, basy vita gasy miisa roa ary zava-maranitra samihafa. Tsiahivina fa lasibatr’ ireo olon-dratsy ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo ny taksiborosy mampitohy […]
Mitobaka ny vokatra : very fotsiny ny legioma sy voankazo ao Manjakandriana
Tantsaha mpamboly maro velon-taraina noho ny vokatra tsy tafavoaka. Isan’ireny ny karazana legioma sy voankazo maro. Mazoto ny olona mamboly fa vitsy ny mpandray azy ka ariana fotsiny rehefa tsy lany, na omena ny kisoa. Mpamboly iray izao nilaza fa fahazarana fotsiny sisa ny mamboly, zara raha misy hoanina fa […]
Tontolo iainana : voly hazo mila fanaraha-maso
Isan-taona, vondron’olona maro, fikambanana, sns, mandeha mamboly hazo, izay saika hatao mandritra ny fotoam-pahavaratra, eo anelanelan’ny volana novambra ka hatramin’ny marsa. Mazava ny tanjona, hamerina indray ny ala eto amin’ny Nosy, noho izany tsy tokony hazo « volivolena fotsiny amin’izao nefa tsy haniry ». Ny fambolen-kazo hatao hamerina ny zava-boahary indray, natao […]
Jono indostrialy: mihena ny vokatra an-dranomasina ankehitriny
Nanomboka tamin’ny 1967 ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpikaroka vahiny tany avaratra andrefan’ny Nosy. Aiza ho aiza ny valiny, 50 taona aty aoriana, nitondra vokatsoa ho an’i Madagasikara sa tsia ? Am-polo taona maro, tsy nitsahatra nivoatra ny jono indostrialy makamba teto Madagasikara, mbola niampy fiompiana tany […]




