Taratra

Chocolat : tsy ampy ny fitaovana famokarana eto an-toerana

Mbola misedra olana ny famokarana chocolat eto Madagasikara, hoy ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Edenia Rajerison Achille, raha nanontaniana, afakomaly. Nilaza izy fa tsy ampy ny fitaovana enti-mamokatra sy manodina ny chocolat. “Tsy maintsy manafatra sy mividy avy any ivelany”, hoy izy. Nambarany fa tsy ampy vola sy fitaovana enti-mamokatra koa […]

Afovoan-tany : maina ny andro anatin’ny hateloana

Ho maina ny toetry ny andro saika manerana ny Nosy ao anatin’ny hateloana ankoatra ny faritra Boeny sy Sofia ary ny toerana vitsivitsy amin’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny sampana famantarana ny toetry ny andro. Hahazo orana tandrifin-drahona Analanjirofo. Manom­boka amin’ny alakamisy vao hahazo orana bebe […]

Toamasina : niampy iray ny olona matin’ny hanoanana

Vao tamin’ny 3 febroary lasa teo no nisy tovolahikely namoy ny ainy vokatry ny hanoanana tao Toamasina. Ny asabotsy folakandro lasa teo, akory ny hagagan’ny rehetra izay nandalo eo amin’ny tokontany malalaka anoloan’ny kianja manara-penitra Barikadimy, mifanila amin’ny biraon’ny polisy boriborintany faharoa Mangarano fa mahare fofona maimbo. Rehefa nozahan’ireo ankizy […]

Filoha Rajoelina Andry: tokantrano 2570 hisitraka vola 120 000 Ar

Anisan’ireo nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza farany teo ary mitoka-monina tanteraka ankehitriny ny distrikan’Ambato Boeny. Araka ny efa nambaran’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry nandritra ny diany tao Ma­rovoay ny herinandro lasa teo, tonga nitondra fanampiana ireo tokantrano traboina miisa 1105 tao Ambato Boeny izy ny faran’ny herinandro teo. Dibo-drano ny ankamaroan’ny […]