Taratra

Voalaza saika hanendaka: lehilahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Lehilahy iray no maty nodoran’ny mpianatra velona, omaly. Voalaza fa saika hanendaka sy handroba niaraka tamin’ny basy vita gasy, tanatin’ny faritry ny oniversite izy. Raikitra ny tabataba. Nahoraka tao amin’ny “campus” Maninday-Toliara omaly tokony ho tamin’ny 01 ora maraina teo. Lehilahy iray no niharan’ny fitsaram-bahoaka rehefa saika hanendaka mpianatra tao […]

Fandriana : raim-pianakaviana hita faty natsingevan’ny rano

Tsy nisy nahafantarana azy intsony, raim-pianakaviana iray hita faty natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Morarano, kaominina Amba­nivohitra Fandriana, ny asabotsy 11 febroary teo. Olona sendra hanasa tanana no nahita zavatra hafahafa teo amin’ny rano. Nentin’ny hatairana, niantso avy hatrany ny manodidina izy. Rehefa nosarihana tao anatin’ny rano, olona efa namoy […]

Antanandava-Toamasina : lehilahy novonoina rehefa tsy nety hamaky trano

Olona telo voasambotra voarohirohy tamina vono olona nitranga tao Antanandava- Toamasina, ny alin’ny 28 ja­noary teo. Nisy nanatitra tao amin’ny tranom-patin’ny Hopi­talibe ny vatana mangatsiakan’ i Lucien na Dovis, monina ao Mangarano, tamin’io andro io. Nivoaka hamonjy irony trano fanaovana “karaoké” irony izy tamin’ny alin’ny 28 janoary teo. Nitondra vola […]

Ankadifotsy : jiolahy tratra teo am-panosehana moto halatra

Hatolotra ny fampanoavana ity jiolahy ity aorian’ny famotorana ataon’ny polisy azy. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisari­an’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Ankadifotsy ity jiolahy iray voarohirohy noho ny halatra moto ity, omaly. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany Ankadifotsy ireo polisy miasa ao amin’ny CSP3 momba ny fahaverezana […]