Miseholany amin’ny faritra maro ny fitsaram-bahoaka. Ny alin’ny alakamisy hifoha omaly zoma, jiolahy iray indray no notaperin’ny fokonolona ny ainy, tao Ambatondrazaka. Niharan’ny hatezeram-bahoaka, potiky ny tora-bato sy ny daroka nataon’ny fokonolona ny jiolahy iray tamin’ireo dimy nanafika tao Menaloha, kaominina Ambohitsilaozana, Ambatondrazaka, afakomaly. Dimy lahy ireo olon-dratsy no nanafika tokantranona […]
Taratra
Fitsidihana ny any Amoron’i Mania: hitokana fotodrafitrasa maromaro ao Ambositra ny filoha
Hihazo ny any amin’ny distrikan’Ambositra any indray ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasionina hotarihiny ,anio. Anisan’ny anton-diany any an-toerana ny fitokanana sy fanolorana ireo fotodrafitrasa maromaro any an-toerana. Anisan’izany ny fahavitan’ny fonjabe ao Ambositra, ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka sy ny biraon’ny fitaleavam-paritry ny minisiteran’ny Asa, ny Fampanan’asa. Eo […]
Ny vava no tsy atao be!
Sasatry ny manarina sy mifona ary miala tsiny ireto mpitondra manohana ny Filoham-pirenena. Niteraka fahakiviana sy tabataba, omaly, ny kabary nataon’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, voafidy tany Antsiranana. Tsy hotaterina na averina eto izay voalaza mba ialana amin’ny fivoizana izay efa tsy nanjary nataony. Ny asiana tsindrim-peo kosa anefa, fomba […]
Nikasa hamindra razana… : olona 3 sempotra maty tao am-pasana
Andro miditra! Olona telo indray namoy ny ainy vokatry ny famonjena olona telo hafa (vehivavy roa sy lehilahy iray) sempotra tao am-pasana tao Ambohimahasoa, omaly… Nampivarahontsana! Lehilahy telo indray maty tao am-pasana tao Ambodihady Imasy, fokontany Andoharondra, kaominina ambanivohitr’Ampitana, distrikan’Ambohimahasoa, omaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Araka ny fampitam-baovao voaray avy […]
« Ligue des Champions »: sarotra ho an’ny Chelsea ny lalao miverina
Lavon’ny Real Madrid espaniola, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny Chelsea anglisy, nandritra ny lalao ampahefa- dalana mandroson’ny « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Fihaonana natao tao amin’ny kianjan’ny Santiago Bernabeu. Araka izany, hita fa somary hanahirana an’ny Chelsea ny lalao miverina, izay atao any amin’izy ireo, ny talata 18 […]





