Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro teny Andravoahangay ambany, omaly, ireo jiolahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra fefy vy. Raha ny tatitra voaray avy amin’ny polisy, tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 mn maraina, nifanehatra tamin’ ireo jiolahy telo ireo ny polisy mpanao […]
Taratra
Ilakakabe: tokantrano roa nasesin’ny dahalo
Voasambotry ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nanao fanafihana tokantrano roa tao amin’ny tanànan’i Vohimena, kaominina ambanivohitra Ilakakabe, ny 5 febroary teo. Nasesin’ny dahalo norobaina ny tokantrano roa tao amin’io tanàna io ny alin’ ny 1 febroary teo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo olon-dratsy ka tsy sahy namaly […]
Horonan-tsary mamoafady: tratra ireo mpirahavavy mampiasa zaza tsy ampy taona
Niakatra fampanoavana omaly ny raharaha momba ireo mpirahavavy nanao sarimihetsika mamoafady. Ny zanany vao dimy taona ihany no nampilalaovina. Fantatra tao anatin’izay fa 25 sy 21 taona izy roavavy ireto. Manan-janaka lahikely dimy taona ity zoky vavy. Nifanaraka iretsy mpirahavavy fa ilay ankizilahikely no hanaovana ity zava-mamoafady ity niaraka amin’ […]
Ambalakisoa Toamasina : raim-pianakaviana hita faty, tsy fantatra mazava
Tsy nahitana endrika vonoan’olona ity raim-pianakaviana hita faty ity nitsirara teo amoron-dalana tao amin’ny fokontany Ambalakisoa Toamasina, ny alatsinainy teo. Raha ny fanazavana voaray, tombanana ho manana aretim-borona izy satria nahitana ranovava maro nivoaka ny vavany sy ny orony. Mety nihetsika izany ka nianjera tamin’ny rano mihandrona, ny orana rahateo […]
Filohan’ny Hafari : “Mila ovaina ny fototra eo amin’ny sehatra politika”
“Iriko ny hanamboarana ny fototra eo amin’ny sehatra politika misy eto amintsika”, hoy ny filohan’ny Hafari Malagasy, Rafanomezantsoa Jean Nirina, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, omaly. Laharam-pahamehana ho an’ireo mpanao politika eto Madagasikara hatramin’ny nahazoana ny fahaleovan-tena. Samy manao izay ahazoany tombony ary ny ataon’ny teo aloha ihany no […]




