Hitan’ny fokonolona teny amoron-drano, omaly tokony ho tamin’ny 08 ora sy sasany maraina, teo ny nofo mangatsiaka iray tamin’ireo mpandeha rendrika ny alarobia teo. Avotra soamantsara saingy mbola mitsabo tena ao amin’ ny hopitaly ao Farafangana kosa ireo namany roa hafa. Hatramin’ny ora nanoratanay farany, eny amin’ny 45 km miala […]
Taratra
Jly Rakotonirina Richard : «Tokony hiray hina hatrany ny Foloalindahy…»
“Zava-dehibe amin’ny Foloalindahy ny maha tandroka aron’ny vozona, miaro ny fiandrianam-pirenena. Betsaka ny fanaratsiana mampisara-bazana ny Tafika sy ny zandary”, araka ny fanazavan’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sady minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana, ny Jly Rakotonirina Richard nandritra ny fambolezan-kazo tao amin’ny toby famaharan’ny Tafika an’habakabaka “Base aérienne 213” Arivonimamo, omaly. […]
Taksiborosy nivadika: olona iray maty, dimy naratra
Raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN7 anatin’ ny PK 205 + 300 teo Andranotakatra, fokontany Ambohimanjaka, omaly maraina tamin’ny 04 ora sy sasany. Niala tany Toliara ity taksiborosy ity. Nifandimby niteny ny mpamily vokatry ny fandehanana mafy ireo mpandeha sasantsasany. “Efa nampitandrina ny mpamily […]
Mponin’i Maromby, Amboasary Atsimo : “Tafahoatra ny fihetsiky ny mpitandro filaminana…”
Tonga eto an-dRenivohitra ny solontenan’ireo mponina avy any amin’ny Kaominina Maromby, Amboasary Atsimo any Anosy. Velon-taraina tanteraka izy ireo amin’ny tsy fandriampahalemana sy ny fihetsiky ny mpitandro filaminana. “Tena maharary. Manjaka ny asan-dahalo fa eo koa ny ataon’ny mpitandro filaminana”, hoy ny solontenan’ny mponina, i Lords Justin, tetsy Ambohijatovo, omaly. […]
Indostria : laharam-pahamehana ny fanaovan-damba
Nivory tao amin’ny minisiteran’ny indostia, ny varotra, ny fanjifana(Micc), omaly 2 febroary, ireo tompon’andraikitra samihafa avy amin’ ny minisitera. Nitarika izany ny tale jeneraly momba ny indostria, Ramindo Gaetan, sy avy ao amin’ny GEFP (1) sy EDBM (2). Nampahafantarina ireo dingana tsy maintsy arahina raha hanangana orinasa fanaovan-damba. Anisan’ny dingana […]




