Taratra

Andron’ny manamboninahitra lefitra : feno 60 taona ny sekoly ENSOA

Andro miavaka amin’ireo manamboninahitra lefitra ny 01 febroary, nankalazaina nandritra izany koa ny faha-60 taona ny sekolim-pirenena manofana azy ireo. Andro manan-tantara ho an’ireo manamboninahitra lefitra eo anivon’ny tafika malagasy ny 01 febroary. Omaly, feno 60 taona ihany koa ny sekolim-pirenena ho an’ny manamboninahitra lefitra “ENSOA”. Nankalaza izany ny foloalindahy […]

Basikety-Nasionaly : misy fifaninanana isam-bolana

Feno tanteraka ny fandaharam-potoanan’ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety, ho an’ny fifaninanana eto an-toerana, amin’ity taona 2023 ity. Tsy hisy fiatoana fa hisy hatrany ny lalao isam-bolana, manomboka amin’ity volana febroary ity hatramin’ny volana no­vambra 2023, mialohan’ny hiatrehana ny fivoriambe ny volana desambra 2023. An­koatra ireo fifaninanam-pirenena tsy maintsy tontosaina […]

« Inspecteurs de la Jeunesse et des Sport » : Ramaroson Toavinirina no filoha vaovaon’ny sendika

Notanterahana, omaly, tetsy amin’ny Le Pavé Antani­narenina, ny lanonana fifamindram-pitantanana, teo amin’ireo filohan’ny syndicat des inspecteurs de la Jeunesse et des Sports teo aloha sy ny vaovao. Nambaran’i Léandre Charles, izay nitantana teo aloha, fa mafy ny ady natrehana nandritra izany, saingy ho tombontsoan’ny mpikambana namana no nijoroana sy niadiana. […]

Kitra vehivavy : mamiratra ny Disciples FF Vakinankaratra

Notanterahina, omaly, ta­ny Antsirabe, ny dingana fa­ma­ranana na “Poule des As” ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara vehivavy sokajy sénior 2022. Nisonga­di­na tanteraka ny Disciple FF Vakinan­karatra tamin’ny fa­nombohan’ ity fifaninanana ity. Nomontsa­nin’izy ireo ta­min’ny isa 8 no ho 0 ny Mifa Analamanga. Lalao izay no­tanterahina tao amin’ny kianjan’i Velodrome […]

Kitra – «Chan 2022 »: tsy mahazaka manenjika isa ny Barea

Mbola ambetin-dresaky ny rehetra hatramin’izao ny faharesen’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Mbola samy mitsakotsako ny faharesen’ny Barea, teo amin’ny manasa-dalana hiadiana ny amboaran’ny “Chan” atao any Algérie, na ireo mpilalao na ny mpanazatra […]