Taratra

COI : nihena ny jono tsy manara-dalàna

Namarana ny fisafoana ny faha-60 aty amin’ny fari-dranomasina misy azy ny COI (Commission de l’Océan Indien) ny 30 janoary 2023 tao La Réunion. Ny sambo Osiris II nisafo ny fari-dranomasina any Comores, La Réunion, Madagasikara, Mau­rice, Seychelles ary Tan­zanie, nanomboka ny 7 hatramin’ny 30 janoary 2023. Sam­bo mpanjono 34 voasava […]

Vakinankaratra : zanakazo 6.225 voavoly tany Antsahatanteraka

Natao, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo ao amin’ny faritra Vakinankaratra. Nita­rika ny fotoana ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, Rtoa Vina Marie-Orléa sy ny go­vernoran’i Vakinankaratra, Rakotovao Vy Vato. Nanotrona ny fotoana koa ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rako­tonirina Richard sy ny minisitry […]

Banky SG Madagasikara : endrika vaovao ny eny Ampefiloha

Notokanana ny 9 janoary 2023 teo, ny masoivohon’ny banky Société générale (SG) Madagasikara, vao nohavaozina eny Ampefiloha. Naha­ritra telo volana ny asa, ka nohatsaraina tanteraka ny fo­todrafitrasa samihafa. Mam­piavaka ity masoivoho ity koa ny fisian’ny toerana manokana ampiasana ny teknolojia niomerika, Digital corner, ka mahaleo tena tanteraka ny mpanjifa raha […]

Matetika ny andro ratsy: mila fiantohana ny tantsaha eo amin’ny fambolena

Araka ny fanadihadiana nataon’ny SFI*, 80 % amin’ny tantsaha tsy te ho matiantoka na very vola fotsiny eo amin’ny fambolena, ka maniry ny hanana fiantohana izy ireo amin’ny asany. Mateti-pitranga rahateo ny vokatry ny andro ratsy eto Madagasikara, haintany na rivodoza. Ahoana ny hiatrehan’ireo mpamboly ny fahavoazana saika isan-taona any […]

Indray mijery

Nanao sonia fiaraha-miasa ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Profesora Assou­macou Elia Béatrice sy ny masoivoho japoney miasa eto amintsika, Abe Koji, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hiompana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny tohana ka voakasika manokana ny fiarovana ny Yagiyama Zoological Park sy ny Parc […]