Naiditra am-ponja eny Antanimora ny jiolahy iray voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra moto. Ny polisy avy ao amin’ny sûreté urbaine du territoire (Sut) no nahasambotra azy afakomaly, teny Avaradoha. Tsy vitan’izay fa misoloky sy mampiasa taratasy hosoka izy, araka ny fanazavan’ny polisy. Ny 21 marsa 2023, naharay fitarainana sy fitoriana […]
Taratra
Ambalamanasy – Toamasina: Jiolahy matin’ny fitsaram-bahoaka
Tsy miandry mpitandro filaminana intsony ! Miverina indray ny fitsaram-bahoaka tato ho ato. Toarian’ny tao Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo, jiolahy iray hafa indray matin’ny fokonolona tao Toamasina, afakomaly. «Leo izahay » ! Io no nambaran’ny fokonolona nampihatra ny fitsaram-bahoaka tamina jiolahy iray voasambotr’izy ireo tao Ambalamanasy – Toamasina, ny talata 4 avrily […]
Mpanao gazetin’ny Viva : nodimandry i Liva
Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara. Nodimandry, omaly tolakandro Andriamananjara Livamalala, mpampahalala vaovao ao amin’ny fahitalavitra Viva. Tampoka ny fahafatesana nahazo an’Itompokolahy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ireo mpiara-miasa aminy. Mbola niasa izy ny maraina, no nanambara ho te hatory. Niera ny hody izy ary nisakafo tao anaty tranom-pivarotana […]
Motocyclisme : nankatoavin’ireo ligy ny fitantanan’ny FMAM
Notanterahina teny Ambohidahy, ny sabotsy 1 avrily lasa teo, ny fivoriambe ara-potoana (AG) nataon’ny Federasiona malagasin’ny Motocyclisme. Nahazo fankatoavana na “Quitus 100 %” tamin’ireo ligy roa amin’ny telo misy ao amin’ny FMAM, Analamanga sy Vakinankaratra ny fitantanan-dRazafimahefa Tsirava, filohan’ny FMAM teo aloha, nandritra ny tatitry ny zava-bitan’ny Federasiona, ny taona […]
Rallye Terre des Causses : tsy nitsanga-menatra i Faniry
Anisan’ireo nisongadina, tamin’ireo niatrika ny dingana voalohany amin’ny Clio Trophy, amin’ny Rallye Terre des Causses, notanterahina tany Frantsa, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, Rasoamaromaka Faniry. Tafiditra tao anatin’ireo 10 voalohany mantsy ny tovolahy, niaraka tamin’i Baptiste Langlois. Na izany aza, nandalo fotoan-tsarotra izy satria tojo olana mekanika tao […]





