Taratra

CHAN 2022: hilalao ny manasa-dalana ny Barea

Nanakoako naneran-tany indray i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Barea. Tafita hiatrika ny manasa-dalana, hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2022”. Voalohany eo amin’ny tantarany izany. Dingana goavana, vokatra nisongadina ary tantara vaovao ny zava-bitan’ny Barea de Madagascar, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i […]

“Taom-baovao”: hiavaka ny taona ho an’ny IFM

Notontosaina ny asabotsy 28 jaoary 2023, ny “Taom-baovao” ho an’ny fianakaviamben’ny IFM na Institut Français de Madagascar. Fotoana nifampirariana soa sy nanaovana jery todiky ny taona lasa. Fotoana nampahafantarana koa ny drafitr’asa kolotoralin’ity ivotoerana ity ho an’ny taona 2023. Tonga maro nanome voninahitra ny lanonana ny fianakaviamben’ny IFM isaky ny […]

Filalaovana tantara : nodimandry i Ulick Andriamanantena

Feo miavaka ! Tantara mahasarika… Anisan’ny nahafantarana an’i Ulick Andria­manantena ireo. Fantatra fa nodimandry, omaly, ity andrarezin’ny kanto malagasy ity. Ny filalaovana tantara fandefa amin’ny Radio no tena nahafantarana azy. Saika nahenoina ny feony ny ankamaroan’ny Radio eto an-dRenivohitra mandefa tantara, Ankoatra izay, nanatontosa tantara maro ihany koa izy teo […]