Misy ny olana eo anivon’ ny tontolon’ny fitsarana. Eo ny vola sy fitaovana ary ny tsy fahampian’ny olona. Miisa 42 ny fitsarana ambaratonga voalohany manerana ny Nosy. “Rehefa natao fitsinjarana ny asa araka ny isan’ny mpitsara: any amin’ ny 158 antontan-taratasy isan-taona ho an’ny mpitsara am-perinasa tsirairay avy, raha ny […]
Taratra
Depiote Raholdina Naivo : “Leran’ny fifidianana izao”
“Ny leran’ny fifidianana no lera tonga amin’izao. Tsy misy fifidianana mihemotra eto. Ho tapitra amin’ny 31 janoary izao ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Efa ny fifidianana no banjinina”, hoy ny depiote voafidy tao Antananarivo V, tamin’ny anaran’ny IRD, Raholdina Naivo, manoloana ny fijoroana sy fitakian’ny vovonana Lera tamin’ny […]
Senatera Etienne Blanc: “Ahina ny tsy fitoniana”
Manaraka akaiky ! Naneho ny heviny sy nanaitra, manoloana ny raharaham-pirenena eto amintsika ny minisitra Frantsay misahana an’i Eoropa sy ny Raharaham-bahiny, ny senatera Repoblikanina Étienne Blanc. Hentitra ny nambarany tamin’ny taratasy, nataony ny 26 janoary teo. “Miha mampanahy hatrany ny fitoniana politika any Madagasikara, taorian’ ny fiampangana sy nampidirana […]
Hajo Andrianainarivelo: “Aoka ho sahy hijoro ka hiteny ny tsy mety”
Namboly hazo teny Alakamisy, Ambohidratrimo ny antoko Malagasy miara-miainga, ny asabotsy teo. Lahatenin’ny filoha nasionaliny, Andrianainarivelo Hajo ny resaka politika sy ny raharaha anatin’ny antoko. Nanentanana ny tsirairay mba hanaraka hatrany ny fizotry ny raharaham-pirenena, ny filohann’y antoko MMM. Tafiditra ao anatin’izany ny fanomanana ny fifidianana. “Aoka isika ho sahy […]
Antsirabe II: raim-pianakaviana hita faty tapa-doha
Razana tsy nisy loha intsony no hitan’ny mpandalo iray tao amin’ny fokontany Soanierana, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrika Antsirabe II, omaly vao maraina. Sendra nandalo, tsikaritry ny mpandalo iray ny fisian’ny vatana mitsirara tamin’ny tany. Faty efa tsy nisy loha intsony anefa izany. Niantso ireo manodidina avy hatrany ilay nahita ny […]




