Taratra

Vahoaka tompon’ny teny farany

Voin-kava-mahatratra! Efa mahazatra sy saika mandeha ho azy izany amin’ny voina lehibe manjo sy iainan’ny firenena toy izao: an’alina ny traboina, maro ny voly tondraky ny rano… Efa saika mila ho isan-taona ny toy izany? Eo koa ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny kere any atsimo. Tsy mahafa-bela? Na mahazatra… Saingy […]

Filoha Rajoelina Andry : ” Ny sosialim-bahoaka aloha”

Ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fijerena ny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity. Tsy maintsy vitaina kosa anefa ny foto-drafitra efa natomboka. Ireo tetikasa vaovao no haato. Mahatsapa ny filan’ny vahoaka malagasy sy ny asa tokony ho vaindohan-draharaha mifanaraka amin’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Nitarika ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo […]

Famakiana “Karaoké”: jiolahy iray voasambotra niaraka tamin’ny entana halatra

Voasambotry ny zandary ny lehilahy iray namaky “karaoké” tao Analakapaina, fokontany Alatsinainy Ankitsikitsika, Kaominina Antsahalava, Dis­trikan’Antanifotsy, ny 25 ja­noary teo. Naharay lohara­nom-baovao ny mpitandro filami­nana fa misy jiolahy sady mpamatsy ody gasy ny namany nanao fanafihana tao amin’io fokontany io. Raikitra ny velam-pandrika. Tra-tehaka tokoa ny entana halatra maromaro toy […]

Ambohimangakely: jiolahy roa nangalatra fantsona voasambotra

Jiolahy 2 voasambotry ny zandary mpanao fisafoana amin’ny alina, ny asabotsy tamin’ny 3 ora maraina. Samy mipetraka eny Fasan’ny Karana Ankadimbahoaka izy ireo. Tratra nitondra fantsona plastika maromaro niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana (motsakoa) sy “pince coupante”. Rehefa natao ny famotorana savaranonando, nilaza izy roa lahy fa nalainy tamina ka­miaobe nijanona tamin’ny […]

Tselatra

Lehilahy miisa roa no nahatrarana vola sandoka miten­tina 1.060.000Ar tao Manakara. Nisy mpivarotra nitaraina fa naharay izany tao an-toerana ka nisokatra ny fanadihadiana. Voasambotra tamin’izay izy roa lahy, mbola nahitana vola san­doka marobe teny aminy. Nilaza kosa izy ireo fa azony tamina varotra omby tao Ihosy ny vola.