Taratra

Ankadimbahoaka : mpangalatra nifanenjehan’ny fokonolona

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP5), omaly maraina teny akaikin’ny rond-point Ankadimba­hoaka ny jiolahy iray. Voaro­hirohy ho tompon’antoka tamina ha­latra kiraro sy poketra teo amin’ny mpivarotra friperie izy ka nifanenjehan’ny fokonolona niaraka tamin’ny polisy. Mitentina 2 hetsy Ar ny vidin’ ireo entana nangalariny ireo, araka ny […]

Fanafihan-dahalo : avotry ny polisy ireo takalon’aina

Votsotra teny am-pelatanan’ireo dahalo mpaka an-keriny ireo tovovavy roa nataony takalon’aina nandritra ny fanafihana tao Besa­lampy, ny faran’ny herinandro teo. Tafaverina nandritra izay koa ireo omby 50 isa voaroba. Nanafika tanàna iray tao an-toerana, ny andiana malaso. Lasa tamin’izay ireo omby marobe. Tsy vitan’ny nan­droba, mbola nitondra taka­lon’aina roa vavy […]

Anosizato: fatin-dehilahy natsingevan’ny rano

Nampiakarin’ny fokonolona tetsy Anosizato, omaly tao anaty rano ny fatin-dehilahy iray. Sady tsy nisy ratra no tsy nisy taratasy namantarana azy teny aminy. Tranga mampalahelo. Lehilahy iray manodidina ny 30 taona no hita faty natsingevan’ny rano teny amin’ny fokontany Ankazo­toho Anosizato, omaly atoandro. Tokony ho tamin’ny 02 ora teo, nahazo […]

Basikety: tafiditra ao amin’ny Oak Hill Academy i Donovan

Tsy mitsahatra mivoatra ny mpilalao basikety mala­gasy, mandranto fianarana sy milalao basikety any ivelany. Fantatra izao fa hanohy ny fianarany sy ny fandrantoany ny taranja basikety, ao amin’ny Oak Hill Academy Rakotonanahary Donovan, mpilalao malagasy, anisan’ ny misitraka vatsim-piana­rana any Etazonia. Manomboka amin’ity volana janoary ity izy no hiditra ao […]

«Open d’Australie» : hanao famaranana i Djokovic sy i Tsitsipas

Hafana tanteraka ny lalao famaranan’ny taranja tenisy “Grand Chelem Open d’Aus­tralie”. Hihaonan’i Novak Djokovic, mpilalao serba laharana faha-5 amin’ny ATP sy i Stefano Tsitsipas, mpilalao grika laharana faha- 4 ny ATP ihany. Lalao izay atao ao amin’ny kianjan’ i Rod Laver Arena, rahampitso alahady 29 janoary. Raha hiverenana ny lalao […]