Taratra

Fivorian’ny filankevitry ny CUA : nitatitra ny zava-bita ny ben’ny Tanàna, A. Naina

Nitatitra ny ezaka vita ta­min’ny taona lasa ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, omaly, tamin’ny fivorian’ny filankevitra monisipaly tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna. Anisan’izany ny fahavitan’ny fotodrafitrasa, toy ny tsena Anosy, Coum 67 ha, Behori­rika, Zaimaika. Eo koa ny fampidirana ny mpivarotra ao amin’ny sehatra ara-dalàna ka mihoatra ny 20 000 ireo […]

Isika ihany Io !

Mahavalalanina andro aman’alina ny tontolo politika eto Mada­gasikara. Tsy mbola nisy hatrizay izany hoe resaka manokana an-tele­faonina mirakitra tsiambaratelom-panjakana no mivoaka eny amin’ny tambajotran-tserasera izany. Mainka mampivarahontsana ny maha­fantatra fa, lasibatra amin’izany ny mpitondra ambony eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Raha izy ireo sy ny serasera ataony no tsy […]

Namono mpitondra taxi : 9 voasambotra, mpivarotena ny 4

Nangalatra fiara telo teto an-dRenivohitra. Saron’ny mpitandro filaminana ny tambajotran-jiolahy mamono mpamily sy maka ny fiara miasa amin’ny alina, omaly. Efa mpamerin-keloka amin’ny asa fangalarana, voasambotry ny polisy tetsy Andravoahangy i Nike, ny sabotsy 21 marsa lasa teo. Ny alin’ny 19 marsa tamin’ny 9 ora, naharay antso ny mpitandro filaminana […]

Fanendahana : efa-dahy nidoboka am-ponja ao Toamasina

Tsy mandry andro tsy mandry alina ny polisy avy ao amin’ny compagnie urbaine d’intervention, sampana iray eo anivon’ny commissariat central, eo ambany fibaikoan’ny kaomisera Rakotondrai­ni­vonona Panoël Tsiky. “Tsy maha olom-baovao ny fametrahana fandriampahalemana ho an’ny vahoaka”, hoy izy. Nahitam-bokany izany ezaka izany satria jiolahy efatra niaraka tamin’ny zava-maranitra sy entana […]

Raharaha famonoana an’Iarisy: « Izao vao tena hanomboka ny ady », hoy ny mpitandro filaminana

Taorian’ny nahafatesan’ilay dahalo raindahiny Iarisy tao amin’ny distrikan’Anjo­zorobe, nandray fepetra avy hatrany ny mpitandro filaminana. “Hampiana ny isan’ny mpitandro filaminana any an-toerana hanamafy ny fandriampahalemana. Mbola mi­tohy ny asa”, hoy ny kapiteny Andriambeloniaina Toky, ko­mandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale. No­tohizany fa mbola karohina ireo mpiara-dia amin’Iarisy izay mirongo fitaovam-piadina mahery vaika […]