Taratra

Ankatoky ny fetin’ny Paka : lehilahy hita faty natsingevan’ny ranomasina

Fatin-dehilahy iray 40 taona no natsingevan’ny ranomasina ny alahady teo manamorona ny tetezan’ny Ho­pitalibe Toamasina. Tsy fantatra mazava ny nahafaty ity niharam-boina ity. Tsy nahitana faritra mangana na maratra ny vatany nandritra ny fizahana nataon’ny BMH. Tsy nisy akanjo intsony kosa teny aminy. Tombanana ho nilomanano tany ho any izy […]

Lazain-drangahy fa tsy zanany : novonoin-dreniny ary natsipiny tao anaty tatatra ilay zaza

Zazalahikely vao herintaona monja no hita faty tao anaty tatatra tao Antanamandroso Moramanga, afakomaly. Voatondro ho namono azy ny ray aman-dreniny rehefa tsy nanaiky io zaza io ny lehilahy vadin’ilay renim-pianakaviana. Hiakatra fampanoavana izy mivady. Habibiana mahatsiravina! Tsy nampoizina ny zava-bitan’ilay renim-pianakaviana 30 taona sy ny vadiny tao Moramanga. No­vo­noina […]

Hetsiky ny “Jamais mort” : nisitraka jiro ireo fokontany any Vangaindrano

Nanao hetsika sosialy tany amin’ny distrikan’i Vangain­drano ny fikambanana Jamais Mort, ny farany herinandro lasa teo. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona 2023 izany ka nanoloran’izy ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 30, manana tanjaka 800 wh. Na­tolotra sy notsinjaraina amin’ny fokontany telo, ahitana ny any Nanasana […]

Depiote Raholdina Naivo: “Tsy misy Tetezamita intsony eo”

«Milaza amin’ny vahoaka izahay fa tsy misy Te­te­zamita intsony, fa efa ao anatin’ny fanomanana fifidianana isika», hoy ny depiote IRD, Raholdina Naivo, tamin’ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny fanambaran’ireo depiote 15 hoe tsy itokiana hitsara fifidianana ny Fi­tsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) noho ny firaisana tsikombakomba amin’ny mpanatanteraka. Fi­kambanan’ny […]

Ambatomirahavavy: lehilahy nahatrarana entana halatra

Saron’ny mpitandro filaminana teny amina lehilahy iray ny entana halatra toy ny zavamaneno roa , vatoaratra, niampy fitaratra fiton’ireny fiara sprinter ireny tetsy Ambatomira­hava­vy, ny alin’ny alakamisy teo. Nanao fisafoana amin’ny alina, nifanehatra tampoka tamin’ny zandary ny telo lahy samy nitondra entana teny aminy. Nirifatra nandositra avy hatrany izy ireo […]