Taratra

Filoha nasionalin’ny Tim : “Miaina anaty fahantrana lalina ny Malagasy”

Nandray ireo mpikambana Tim avy any Itasy sy ireo avy amin’ny Hetsika pro Rava­lomanana (HPR), ny filoha nasionalin’ny antoko, Ravalo­manana Marc, omaly teny Faravohitra. Hentitra ny nambarany. “Ireo olom-bitsy mahazo tombontsoa manokana amin’izao fitondrana izao sisa no sahy milaza fa mandroso ny firenena. Miaina anaty fahantrana lalina ny 90% -n’ny […]

Depiote R. Harizaka : “Misy ny laharam-pahamehana”

“Tsy izahay no mangataka fivoriana tsy ara-potoana, fa mila laharam-pahamehana maika eto”, hoy ny depiote, Razaiharimalala Harizaka Fiainantsoa, manoloana ny resaka ny mety hisian’ny fangatahan’ny depiote fivoriana tsy ara-potoana. Ny momba ny fanaovan-tsonia, ohatra: misy vola indramintsika na omen’ny mpiara-miombon’antoka. Tsy tapahin’ny filohan’ny Repo­blika na Praiminisitra avy hatrany ireny, fa […]

Fifidianana filoham-pirenena: mangataka an-dRatsiraka Annick ho kandidà ny Arema

Nifampiarahaba noho ny taona vaovao teny Faravohitra ny eo anivon’ny antoko Arema, ny alahady teo. Voaresaka tamin’izany ny hiatrehana ny fifidianana filoham-pirenena sy ny vinan’ny antoko. Vory lanona teny an-toerana avokoa ireo “Co­mité directeur” sy ny sekretera nasionaly lefitra avy amin’ny faritany enina ary ireo rantsa-mangaikan’ny an­toko. Anisan’izany ny tanora […]

Namaky tranombarotra: jiolahy roa tratran’ny polisin’ny SAG

Noraisim-potsiny! Voa­sam­bo­try ny polisin’ny “Ser­vi­ce Anti-gang” (Sag) teny Anosibe, omaly tolakandro ny jiolahy roa raindahiny amin’ny fanafihana miharo vaky trano. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny kaomandin’ny Sag fa naharay antso avy amin’ny tompona tranombarotra iray eny an-toerana izy ireo milaza fa misy olona maromaro mamaky ny trano fitobian’entany eny amin’ny faritra […]

Ratsy andro…andro ratsy

Misasaka sahady ity ny volana janoary. Volana izay he­verina ho sarotra sy tsy mora ialana, indrindra ho an’ny sarababem-bahoaka. Henjakenjana ho an’ny mivelona amin’ ny karama isam-bolana sy ny karama isanandro. Hatramin’ izao tsy mbola misy fofom-bola manimanitra ho an’ny mpi­asam-panjakana. Efa mahazatra ihany ny fahatarana fa amin’ ity indray […]