Taratra

Nampiahiahy… : Ankizy tsy ampy taona tratra nitazona basy

Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny poli­sin’Ihosy, manatanteraka fi­safoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary […]

Dahalo ampolony nanafika: maty voatifitra ny tompon’omby

Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamon­tana, kaominina Ambovom­be centre, distrika Manan­dria­na, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fi­taovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, […]

Ambohidratrimo : zazavavikely fito taona natsingevan’ny rano

Tranga mampalahelo. Ankizivavikely iray sahabo ho eo amin’ny fito taona eo no hita faty natsingevan’ny ranon’i Sisaony teo amoron’ny fefiloha ao amin’ny fokontany Ampefiloha, kaominina Fiadanana, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly tokony ho tamin’ny 08 ora maraina, tsikaritr’ireo fokonolona teny amin’ny manodidina ilay ankizivavikely efa tsy nisy aina intsony. Na­voaka vonjimaika izy, nampandrenesina […]

Fizahatany : lafo ny fitaterana miditra eto Madagasikara

Tsy nahasarika mpizahatany firy i Madagasikara tamin’ny 2022, roa taona taorian’ny fikatonan’ny si­sintany. 106 000 mpizahatany ihany no niditra teo Ma­da­gasikara ny janoary hatramin’ny novambra 2022, ara­ka ny tarehimarika navoakan’ny minisitera misahana ny Fizahantany. Nihena telo latsaka izany raha jerena ny antontanisa talohan’ny Covid-19, tamin’ny 2019. Na eo aza ireo […]

Fiaraha-miasa amin’Ambatovy : hanangana ozinina hanafangaro zezi-bazaha

Misy ny fiaraha-miasa amin’ny tetikasa Ambatovy, hanomezany ny akora solfata almonioma, hatao zezika. Akora azo avy amin’ny famokarana nikela sy kobalta ny solfata almonioma, ka azo havadika ho zezika rehefa afangaro amin’ny NPK na ny DAP. Natsangana ny Tetikasa fitsinjarana ny solfata al­monioma hanohanana ny fahavitantena ara-tsakafo (PDSA) hanatanterahana iza­ny. […]