Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria boriborintany fahadimy (CSP 5) Mahamasina, omaly tamin’ny 1 ora maraina teny Madera Namontana, ny jiolahy iray raindahiny amin’ny fanafihana. Naharay antso ny polisy fa misy andian-jiolahy nanafika tranona ramatoa iray eny Namontana. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny vola 4 hetsy Ar sy telefaonina finday […]
Taratra
An-kitsin-jo sy an-kitsim-po
Hanao ahoana ihany ny ho fiatrehana ny fifidianana? Ny ataon’ny tena ihany no mahasoa na maharatsy ny fandehan-draharaha. Tena handeha an-kitsin-jo sy an-kitsim-po amin’ny fanatsarana ny ny zotram-pifidianana ve ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, indrindra ny mpanao politika? Ho hita eo… Samy hotsaraina amin’izay lazainy sy ataony avy ny tsirairay. […]
Notorin’ olon-tsotra : naiditra am-ponja i Lola Rasoamaharo
Naiditra am-ponja vonjimaika, afakomaly alina, i Lola Rasoamaharo. Notorin’olon-tsotra, nilaza fa saika hakana 885 tapitrisa Ariary tsy ara-drariny izy. Tsy misy idirany amin’ny asa fanaovan-gazety ny raharaha. Eny Antanimora, nanomboka ny sabotsy alina, i Lola Rasoamaharo sy ny lehilahy iray. Nosamborina, natolotra ny fitsarana avy hatrany izy ireo, noho ny […]
Soavinandriana : dahalo iray voafira antsy, omby 11 tafaverina
Tsy namelan’ny fokonolona sy ny zandary, avotra soa aman-tsara ireo omby miisa 11 nalain’ny dahalo tao Amparihimanga, kaominina Mananasy, anatin’ny distrikan’i Soavinandriana, ny zoma 24 marsa teo. Nentin’ny dahalo nitrongo fitaovam-piadiana ireo omby ireo tamin’io. Nirifatra nandositra ny olon-dratsy niaraka tamin’ireo omby. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny fokonolona. Nanampy azy […]
Famonoana mpiandry: jiolahy iray lavo iray hafa azo velona
Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha namonoana ilay renim-pianakaviana sady mpiandry ao amin’ny FLM Soatanana fokontany Ambohitrevo, kaominina Tovona, distrika Farafangana, herinandro lasa izay. Ny alakamisy teo, voasambotra taorian’ny velam-pandrika nataon’ny zandary mpanao famotorana ny roa lahy ahina ho nahavanon-doza. Fantatra amin’ny anarana Medy sy Olo ireo jiolahy tratra. […]





