Namoy ny ainy tampoka noho ny fijanonan’ny fony ny lehilahy iray natory tao amin’ny mpampanofa tena tao Port-Berger, omaly. Avy any ambanivohitra, sendra nandalo tao an-toerana ity lehilahy ity. Nanantona mpampanofa tena arak’izany ny tenany ka nanaraka io vehivavy io tany an-tranony. Noho ny alina, hatairana ny an’ilay mpampanofa tena […]
Taratra
Hasarotam-piaro : novonoina, nalevin’i Doris teo an-tokotany ny vadiny
Tratran’ny zandary tao Vohitsoa Belambo Ambalamanasy, ny alatsinainy 9 janoary lasa teo i Doris, namono nahafaty ny vadiny tamin’ny fomba feno habibiana noho ny hasarotam-piaro. Maty novonoin’i Doris i Marie Violette, 21 taona vadiny noho ny hasarotam-piaro diso tafahoatra. Nanampy azy tamin’ ny fandevenana an-tsokosoko teo an-tokotany kosa ny tovolahy […]
Nampiasa ny « puce » nangalariny: dahalo nanafika ben’ny Tanàna maty voatifitra
Nanafika ben’ny Tanàna, maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny fokontany Vohimary, kaominina Ambohitsara, distrikan’i Manakara ny talata 9 janoary teo. Ny alin’ny alatsinainy, niditra an-keriny tao amin’ny tranon’io ben’ny Tanàna ao an-toerana io ireo dahalo. Lasan’izy ireo tamin’ izany ny entana rehetra. Nampandre avy hatrany ny […]
Kaominin’i Bemanonga : dahalo efa-dahy voasambotra
Nahare fisiana andian-dahalo mikononkonona hanafika, tra-tehaky ny polisy ny efa-dahy malaza ratsy amin’ny fanafihana sy ny halatr’omby tao amin’ny fokontanin’Androvabe Soatanana, Andramoteraka, kaominina ambanivohitr’i Bemanonga, ny alarobia teo. Andro vitsy taorian’ny fampihorohoroana nataona dahalo tao amin’io tanàna io, nanao fitsirihana ny mpitandro filaminana. Fantatra tamin’izany fa misy ny fikasana andian-jiolahy […]
Andron’ny manamboninahitra : miantso fijoroana amin’ny andraikitra ny praiminisitra
Nanafatrafatra toy ny isan-taona. Natao, omaly teny Mahazoarivo koa ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika izany ny manamboninahitra, zandriny indrindra, ny Lieutenant Rakotoarison Safidiniaina. Miasa eo anivon’ny vondron-tafika ho ami’nny fiarovana ny lapa “Bataillon de sécurité de la primature”, ny tenany. Tonga nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy […]




