Miandry ny fotoam-pitsarana azy any am-ponja ilay rangahy nampiantrano an’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty, andro vitsy lasa izay. Nalefa am-ponja vonjimaika ihany koa ny mpamily taksiborosy tsy nanana taratasy mazava nitondrana ny razana. Hotsaraina ny alarobia 25 janoary izao ny raharaha momban’i Hianja, ilay tovovavy 15 taona maty […]
Taratra
Zoma faha-13 : fotoam-bita ho an’ i Silo sy ny mpankafy
Ny toerana no miova hatrany… Ireo mpankafy an’i Silo kosa tsy mila ampiomanina intsony fa efa mivonona hatrany hihaona amin’ity mpanakanto ity rehefa mitontona ny zoma faha-13-n’ny volana iray. Ho an’ny zoma izao, nisafidy ny CFM Anosy i Silo, manomboka amin’ny 8 ora alina sy 13 minitra. “Fihaonantsika, hifampiarahabantsika, amin’ny […]
Fitendrena gitara: mizara ny traikefany hatrany i Arnito Flamenca
Tontosa ny alarobia 11 janoary 2023, teny amin’ny Hotel GV INN eny Andrefan’Ambohijanahary ny lanonana famaranana ny “Masterclass International de guitare”. Hetsika nokarakarain’ny EGM Madagascar, isan’ny nizaran’i Arnito ny traikefa sy ny fahaiza-manaony ho an’ny mpitendry gitara malagasy. Nandritra ny 4 andro ny hetsika ary maimaimpoana ny fandraisana anjara tamin’izany. […]
Milatsaka ny orana : maina ny tsenan’ ny hiragasy
Ny orana avy, ny tany mando, fa ny hiragasy «maina ny tsena», hoy ry zareo mpanao azy ity. Tsy miverina indray ny fampisehoana eny ankalamanjana raha tsy any amin’ny maintany. Miova asa ny mpihiragasy (mpandihy, mpitsoka mozika, mpikabary…) iray manontolo. «Saika tantsaha ny ankamaroan’izy ireny ka miompana any amin’ny fambolena […]
Nisongadina tamin’ny Rap Gasy…: nodimandry i Tax Bouta, Rapadango
Niavaka tamin’ny soratra, ka nahazo ny fankatoavan’ireo namany “mpilalao rima” i Tax Bouta. Iray amin’ireo andrin’ny rap gasy izy, izao folaka an-dantony izao… Misaona ny tontolon’ ny zavakanto amin’ ny ankapobeny, sy ny fiakaviamben’ny mpiangaly rap gasy manontolo. Nodimandry omaly, Rafanomezantsoa Iarisolo, fantatry ny maro amin’ny anaram-bositra hoe Tax Bouta. […]




