Tsy araka ny resaka nandeha tamin’ny herinandro lasa teo fa niala an-daharana ny Lionan’i Atlas Maroc, eo amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina “Chan 2023”. Fantatra izao fa efa tonga any Algérie izy ireo, ary nanambara ny fahavononany handray anjara sy […]
Taratra
Handball – IHF Trophy U20 : hanainga ny asabotsy izao ny Akio Madagasikara
Taorian’ny fandresen’ny Akio Madagasikara lehilahy tamin’ny “IHF Trophy” faritra faha-7, ny volana novambra lasa teo, handeha hanainga ho any Congo Brazaville izy ireo ny asabotsy ho avy izao. Hiatrika ny fifaninanana antsoina hoe “IHF Continental Trophy U20” no anton-dian’ ny ekipam-pirenena malagasy ho any. Fifaninanana izay hatao ny 16 ka […]
Chan 2023 : navoakan’ny Caf ny «Marhaba”
Andro iray sisa, hanomboka ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Chan 2023”. Araka izany, navoakan’ ny Kaonfederasiona afrikanina taranja baolina kitra (Caf), ny “Marhaba”, anaran’ilay baolina ofisialy holalaovina mandritra izany. Vaovao izay navoakan’ny Caf tao anaty tambajotran-tserasera, omaly. “Marhaba” izay midika amin’ny teny malagasy hoe “tongasoa”. Niainga tamin’ ny aingam-panahin’ny […]
Fivoriamben’ny Rugby Afrique : nahazo fanasana ho atsy Afrika Atsimo Rakotomalala Marcel
Anisan’ireo federasiona, hiatrika ny fivoriamben’ny Rugby Afrique ny Malagasy Rugby. Handray anjara mihitsy amin’ny fifidianana izay ho filoha hitantana indray ny kaonfederasiona afrikanina ho an’ny taom-piasana manaraka Rakotomalala Marcel. Hotanterahina ny asabotsy 18 marsa 2023, ao Cape Town Afrika Atsimo ny fivoriamben’ny kaonfederasiona afrikanina ny rugby (Rugby Afrique). Anisan’ ireo […]
Vaovao tambatra
Fanadiovana lakandrano, midika fanatsarana atao any amin’ny kaominina ambanivohitra Mandritsara, momba ny rano manondraka tanimbary sy karazam-boly hafa any an-toerana sy amin’ireo kaominina manodidina. Anisan’ny asa goavana ny fanadiovana ny lakandrano Sahatsindry, mirefy 8 km, ao amina fokontany iray, kaominina ambanivohitra Mandritsara. Nodiovina izany hitsinjovana ny fambolena ; eo koa ny fanamboarana […]




