Nifampiresaka ny 6 janoary 2023 teo teny Ambohidahy, ny misahana ny fandraharahana ao amin’ny masoivoho sinoa eto Madagasikara, Atoa Zhang Wei sy ireo mpiara-miasa aminy tamin’ny minisitry ny Indostria, varotra, sy fanjifana, Razafindravahy Edgard. Navoitran’ny minisitra tamin’io fihaonana io ny mampalaza an’i Madagasikara amin’ny vokatra lavanila, ka mila hanaovana tolotra […]
Taratra
Mpamily kamiao: tsy grevy fa fanairana no hatao
Fantatra fa hanao hetsika amin’ny alahady 15 janoary, ny mpamily fiarabe mampiasa ny lalam-pirenena faharoa (RN 2), noho ny haratsian’ny lalana. Nomarihin’ny filohan’ny Vondron’ny mpitatitra matihanina any Atsinanana (GTPE) Alain, fa araka ny tatitry ny mpamily amin’izy ireo, intelo no nisy kamiao nivadika teo amin’ny toerana iray antsoina hoe Marozavavy, […]
Vary Tsinjo: amidy 650 Ar ny kapoaka
Nisantarana ny fanapariahana ny vary Tsinjo ny eto an-dRenivohitra, hitsinjovana ny maitsoahitra ary hahazo koa ny faritra hafa, raha ny filazan’ny minisiteran’ny Varotra. Mitobaka kosa ny vary eto an-toerana any Bongolava sy Atsimo Atsinanana. Milanja 60 taonina ny vary Tsinjo naparitaka any amin’ny fokontany miisa 54 ato anatin’ny kaominina Antananarivo […]
Nahomby ny ezaka : nidina ny taham-pahafatesana
Araka ny tatitry ny Firenena mikambana, ny taona 2021, misy zaza na tanora iray maty isaky ny 5 segondra maneran-tany. Eto Madagasikara, nisy fivoarana ny taham-pahafatesan’ny reny sy ny zazamenavava ary ny kilonga madinika tao anatin’ny 10 taona farany, araka io tatitra io ihany. 14% ny tahan’ny fahatsarana teo anelanelan’ny […]
CUA- Fitantanana tsena : tsapa ny ezaky ny ben’ny Tanàna
Niarahaba nahatratra ny taona sy nirary soa ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, tetsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny solontenan’ny mpivarotra sy ny mponina, omaly. Nanolotra fanomezana ho an’ny ben’ny Tanàna izy ireo nandritra izany. Tonga teny an-toerana avokoa ny fikambanan’ny mpivarotra eto an-drenivohitra sy ny fikambanan’ny mponina ao anatin’ny […]




