Taratra

Tsipy kanetibe : lasan’ny BIC sy ny C2BA ny amboara sy ny lelavola

Tontosa teny amin’ny kianja PAC Ampitatafika, ny sabotsy sy ny alahady lasa teo, ny fanokafana ny taom-pilalaovana, ho an’ny federation sport boule malagasy (FSBM). Fifaninanana ho an’ireo mpilalao manana kara-pilalaovana ara-dalàna, nanamarihana izany fanombohana izany. Nisongadina teo amin’ny sokajy “sénior” lehilahy BIC sy ny C2BA Vakinankaratra ho an’ny vehivavy. Resin’ny […]

Judo-Rasoanaivo Razafy Laura: « Mila matanja-tsaina raha te hahazo fandresena »

Vokatra tsara ny azon’i Laura, judokas malagasy, tao anatin’ny herinandro. Mitantara ny niainany sy nanomanany ireny fifaninanana ireny izy. Gazety Taratra (*) : Nanao ahoana ny niatre­hana ny « Open d’Afrique de Tunis » sy « Coupe d’Afrique d’Alger »? Rasoanaivo Razafy Laura (-) : Nahafinaritra ny niatrehana ny « Open d’Afri­que de Tunis » sy ny « Coupe […]

Tsy fandriampahalemana: mirongatra ny asan-dahalo any Menabe

Tsy milamina ! Miron­gatra ny asan-dahalo mampijaly sy mampitoreo ny mponina any Menabe. Anisan’izany ny na­hafatesana zandary iray tany amin’ny kaominina Be­fasy, Morondava raha ny tapany atsimo. Mavaivay koa ny tsy fandriampahalemana ho an’ny any avaratra. Nisehoana « Kid­napping » ny herinandro teo, tao amin’ny kaominina Tsara­hotana, Belo Tsiribihina. Na­laina an-keriny ireo […]

Escadron transport Arivonimamo: voatendry ho kaomandy vaovao ny Kly Raminosoa Fetra

Notontosaina ny zoma teo, teny amin’ny “Escadron transport Arivonimamo” na ny tobim-pamaharan’ny Tafika ana habakabaka 213. Roa sosona ny lanonana ara-miaramila tamin’izany. Eo ny fandraisan’ny Kly Raminosoa Fetrarivony ny kaomandin’ny toby vaovao, ny fibaikoana ny “base aérienne 213”. Teo koa ny fanaovam-beloma ara-miaramila na “adieux aux armes” ny kaomandin’ny toby […]