Hotanterahina eny amin’ny CCI Ivato, ny 1 hatramin’ny 4 jona izao, ny « Salon International des acteurs économiques » (SIAE). Andiany faharoa ny hetsika, karakarain’ny Riano Agency. Hiavaka ny fihaonan’ny mpisehatra ara-toekarena rehetra eto amin’ny Nosy mandritra izany. Fotoana iray hampisondrotana azy ireo amin’ny lafiny tsara kokoa. Hamaritana soritr’asa hamahana ireo olana […]
Taratra
Taninketsa indostrialy : vita ny fanodinana tantely any Mahajanga
Vita tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fananganana orinasa fanodinana tantely any Mahajanga, ao anatin’ny tetikasa distrika iray, orinasa iray (Odof). Natolotry ny minisitra misahana ny varotra, Razafindravahy Edgard izany tao amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria (CCI) any an-toerana. Tantely kendrena amin’ izany ny ho afaka amidy eto an-toerana sy […]
Faritra Vatovavy : tsy mionona fotsiny amin’ny fambolena
Voadona mafy ny faritra Vatovavy taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy, fa talohan’izay efa nisy ny Cheneso, tamin’ny janoary 2023 namely ny faritra. Tandindonin-doza ny faritra amin’ny tsy fahampian-tsakafo. Efa olona amana hetsiny maro no tratran’ny tsy fahampian-tsakafo, ny faran’ny taona 2022, mbola nampian’ny rivodoza tamin’ ny fiandohan’ity taona ity, vao mainka […]
Andron’ny ala : asongadina ny fahombiazana
Nitsangana ny vovonana iraisan’ireo mpisehatra amin’ ny faritra arovana eto Madagasikara. Ankalazaina anio ny Andro maneran-tany ho an’ny ala. Manome lanja manokana ny fahombiazana eo amin’ny sehatry ny fiarovana ny ala ity vovonana ity, miampy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra, mba hisian’ny firoboroboan’ny toekarena maharitra eto Madagasikara. Hasongadina ao anatin’ […]
Fahasimban’ny natiora: 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany
Manodidina ny 15 000 ny karazam-biby ahina ho lany tamingana maneran-tany, raha ny fikarohana nataon’ny UICN (Union Internationale pour la conservation de la nature) tamin’ny 2022. Mahatratra 70% ny taham-pihenan’izany nanomboka ny taona 1970 hatramin’izao. Anisan’ny misedra olana ihany koa i Madagasikara. Toy ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny toeram-ponenan’ny zava-mananaina… […]





