Taratra

Boriborintany I : raikitra ny hetsika ara-pahasalamana

Hotanterahina eny amin’ ny boriborintany voalohany manomboka anio ary haha­ritra efatr’andro ny fahasalamana manakaiky vahoaka. Ho tonga ao amin’ny Centre NRJ ny dokotera sy ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatanteraka izany, handray ireo olona manao fizaham-pahasalamana. Tolotra ara-pahasala­mana maro no ho hita mandritra io efatr’andro io. Anisan’ izany ny fizahana maso maimaimpoana […]

Feno 45 taona ny CEG Ivato : manantena ny fotodrafitrasa vaovao nampanantenain’ny mpitondra

Nanokatra ny fanamarihana ny faha-45 taona niorenany ny CEG Ivato, ny faran’ ny herinandro teo. Tamin’ izany no nanaovan’izy ireo antso avo amin’ny filoham-pirenena ny hamitana ny fotodrafitrasa vaovao sy ny fanavaozana izay nampanantenainy tamin’ny taon-dasa. Efa tena tranainy ny fotodrafitrasa amin’izao fotoana. Nilaza ny talen-tsekoly fa efa tandindonin-doza ireo […]

SENVH : ho vita ao anatin’ny telo volana ny tetikasa Teleferika

Efa am-perinasa ny Teleferika amin’ny lalaon’ny Nosy hotanterahina eto amintsika. Efa tomombana ny lafiny teknika rehetra ary mizotra amin’ny tokony ho izy ny asa. Nidina tetsy Anosy ni­jery ny fizotran’ny asa fametrahana ny teleferika ny sekreteram-panjakana miadidy ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana (SENVH), Andriamanohisoa Gérard, omaly. Eo no hipetraka […]

Kolikoly: Very vola ny fanjakana amin’ny volamena

Tsy mazava ny fitrandrahana volamena eto Mada­ga­sikara, araka ny fahitan’ny Tranparency International azy. Raha ny fanadihadiana natao, dia sehatra iray anjakan’ny kolikoly sy varo-maizina ny volamena, ary mahafatiantoka ny fanjakana, satria “olom-panjakana ambony iha­ny no tompon’antoka amin’­izany”. Tsy takona afenina intsony ny fisian’ny risoriso amin’ny varotra volamena. Rabenan­drasana Clément, iray […]