Taratra

Maevatanana : Sinoa miisa telo nitrandraka volamena tsy ara-dalàna tany Marokoro

Maro ny fitrandrahana gaboraraka ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Manamarina izany ny fitrandrahana volamena tsy ara-dalàna any Maevatanana, nahatraran’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany mpitrandraka vahiny tao amin’ny reniranon’i Kamoro, any amin’ny kaominina Marokoro. Nidina ifotony tany amin’ny faritra Be­tsiboka ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny […]

“Festival international du cinéma vues de l’Afrique” : tombony ho an’ny mpanatontosa horonantsary

Nisokatra, omaly, tany Montréal, Canada, ny “Fes­ti­val international du cinéma vues d’Afrique”, andiany faha- 39. Mandritra ny folo andro no hanatanterahana ity hetsika lehibe ity. Ny 30 avrily 2023 no hanatontosana ny lanonam-pamaranana, ha­manta­ra­na izay voafidy ho mpandresin’ity andiany ity. Fifani­nanana ho an’ny horonantsary avy aty Afrika izy ity. Ny […]

Dinika momba ny fifidianana : tsy handray anjara ny MFM

Namoaka fanambarana, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera, ny eo anivon’ ny antoko MFM, amin’ny alalan’ny mpitarika, Rakoto­vazaha Olivier, omaly. “Tsy ho avy hanatrika ny fihaonambe karakarain’ny Ceni izahay. Tsy mba anisan’ny no­raisin’izy ireo ny tolo-kevitray ka tsy ho tonga hanamasina ny tsy fahombiazany ny MFM”, hoy izy. Nohi­tsin’ izy ireo fa tokony […]