Taratra

Tenisy ambonin’ny latabatra- Mada 2022 : Andeha hiofana any Chine i Takko sy Océane

I Lefitriniaina Henry Rinauld na Takko, mpilalao tenisy ambonin’ny latabatra (TAL) lehilahy, an’ny Jo­vena Analamanga sy i Ra­ko­tondrazaka Océane, mpilalao TAL vehivavyn’ ny CJSI Toamasina no nahazo ny tapakila misidina, hiofana any Chine. Tsiahivina fa izy ireo no tompondakan’i Ma­dagasikara, taona 2022, amin’ ity taranja ity ho an’ny sokajy 1ère […]

Tae-kwon-do WT – «Mada 2023» : Nanjakan’ny ligin’Analamanga ny fifaninanana

Nisongadina ny mpikatroka avy amin’ny ligin’Analamanga, teo amin’ny fifaninanam-pirenena, taranja Tae-kwon-do WT. Saika noraofin’izy ireo avokoa ny medaly volamena, teo amin’ny ady “kyorugi” izay nifanandrinana. Voalohany ny ligin’ Ana­lamanga, teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madaga­sikara, taranja Tae-kwon-do WT. Fifaninanana, notanterahina tany amin’ny kianja mitafon’i Soavita Toama­sina, ny alakamisy ka […]

Jirama : Kojakojaina ny jiro sy ny rano

Nanomboka, omaly alahady, ny ekipan’ny Jirama no nanolo ireo fitaovana bakoly « isolateurs », mitazona ny taribin-jiro, mampita ny herinaratra avy eny Ambohima­nam­bola mankany Antsirabe ao anatin’ny tambajotra iraisan’Antananarivo (RIA). Ha­na­tsara ny tambajotra mpitsinjara herinaratra izany, hampihenana ny fahatapatapahan-jiro amin’iny zotra iny. Ankoatra izany, mandeha koa ny fanadiovana ny rano ao amin’ny […]