Taratra

Vohoka mirindra : mila fiomanana ara-tsaina sy ara-batana

Maro ny aretina na ny fahasarotana mahazo ny vehivavy mitondra vohoka hatrany am-piterahana. “Mety hisy ra na lio mivoaka any amin’ny taovam-pananahany, mety hiakatra ny hafanany, fanina izy, mety ho mavo ny masony”, hoy Dr Rakotoarivony Manitra, talem-paritry ny fahasalamana Analamanga. Vahaolana hisorohana izany, ny fanatonana toeram-pitsaboana irery ihany. Tokony […]

Fanondranan’olona : tsy misongadina ny ady ataon’ i Madagasikara

Ity volana janoary ity no iray volan’ny ady atao amin’ny famarinan’olona na ny fanondra­nan’olona antsokosoko sy fanararaotana. Mbola lavitra ny ezaka ho an’i Madagasikara. Voalazan’ny tatitry ny masoivoho amerikanina fa tsy mahafeno ny fepetra faran’izay kely indrindra amin’ny fanafoanana ny fanondranana olona an-tsokosoko i Madagasikara. Misy ihany ny ezaka saingy […]

Mirado sy Reko Band : afa-po tamin’ny seho ny rehetra

Tontosa ny tolakandron’ny asabotsy 7 janoary 2023, teny amin’ny «Alliance Fran­çaise d’Antananarivo» na AFT Andavamamba, ny fampisehoana niarahana tamin’ny tarika Mirado sy ny Reko Band. Seho tafiditra tao anatin’ny famaranana ny faha-75 taonan’ny AFT. Fahombiazana ho an’ny mpikarakara ary fahafaham-po ho an’ny mpankafy. «… tsy ho voafafa na oviana na […]

AFT Andavamamba : niampy ny foto-drafitrasa, manamarika ny faha-75

Hetsika maro no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-75 taonan’ny “Al­liance Française» eto Antana­narivo, na ny AFT. Tontosa ny asabotsy teo kosa ny lanonam-pamaranana ny fankalazana, tetsy Andavamamba. Nanamarika indrindra ny lanonana ny fitokanana ny trano vaovao, izay tsangambaton’ny fankalazana rahateo. Trano vaovao lehibe, ahitana efitra fianarana miisa 9 , […]

“Le mystère d’Arivonimamo”: handeha tsy ho ela ao amin’ny Cinepax

Efa an-taonany maro no nanititika ny mponina sy ny mpandalo ireo karazana «an­tennes» maro ao Arivoni­mamo… Miala kely ny ta­nànan’Antaboaka, eny amin’ny Pk 48 amin’ny lalam-pirenena voalohany ny marimarina kokoa. Betsaka ny resaka mandeha hatramin’izay ny mikasika ny asany sy ny ilana azy ireto. Misy ireo efa nitsaho fa mandefa […]