Taratra

Fianakaviana lasa nanao fety… : kila hotohoton’ny afo ny trano

Trano miisa 12 indray kilan’ny afo tao Bemiditra, fokontany Ambalakazaha Avaratra, kaominina sy distrikan’i Manakara, afakomaly. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, fipoahanana herinaratra tao amina tokantrano iray nihidy no niantombohan’ny afo. Voalaza fa lasa nanao fety tany an-toeran-kafa ny tompon-trano sy ny fianakaviany, kanjo hotohoton’ny afo tanteraka ny trano. Vokany, […]

Governemanta… masaka

Amin’izao toe-draharaham-pirenena izao, tsy azo ihodivirana ny fanovana na fanamboarana ny governemanta? Ho hita eo… Governemanta masaka amin’ny resaka etsy sy eroa ny amin’izao? Indrindra taorian’ireny fanangonan-tsonian’ny depiote sasany hangatahana fanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana ny governemanta ireny… Na ny mpiray donak’afo aza, nisara-kevitra be ihany tamin’iny raharaha iny. Efa nilamina? Na […]

Ady tanimbary: notifirin’ny vinanto lahy ny rafozany

Tifitra vary raraka, fira famaky izany no nanjo ireto lahy antitra mirahalahy ny fa­ran’ny herinandro lasa teo. Notafihan’ny vinantony izy ireo, noho ny disadisa momba ny tanimbary. Zava-doza no niseho tao Bevaho fokontany Ivolo, kaominina ambanivohitra Kotipa, distrikan’ Ivohibe, ny zoma teo. Niafara tamin’ny vono olona ny disadisam-pianakaviana tamina resaka […]

Tselatra

Maty voatifitry ny zandary ny dahalo mpamono olona iray tao amin’ny kaominina Vohitrambo, distrikan’i Vangaindrano ny 05 janoary teo. Nanafika raim-pianakaviana iray ny alin’ny 30 desambra ka namono nahafaty azy , nokarohin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ity dahalo ity. Naratra ny roa tamin’ireo nanara-dia tamin’io andro io. Ny marain’ny […]