Taratra

Vono olona : fatim-behivavy nifatotra natsikafon’ny rano

Vono olona mahatsiravina ny natao an’ilay vehivavy hita faty teo amin’ny “pont” mainty Toamasina, omaly maraina. Niboridana tanteraka izy ary nifatotra ny tongotra aman-tanany. Mampivarahontsana ny tsy fandriam-pahalemana ao Toa­masina. Omaly maraina, vehivavy iray sahabo ho 30 taona teo no hita faty natsingevan’ny rano, teo amin’ny “pont” mainty, fokontany Tanambao […]

Fitendrena gitara : raikitra ny « Masterclass »

Eny amin’ny ivontoerana fampianarana mozika «EGM-Conservatoire de musique» no anokafana ny hetsika «Masterclass International de Guitare». Ny asabotsy 7 janoary 2023, amin’ny 2 ora tolakandro no hanombohan’ny hetsika. Marihina fa voatokana ho an’ny mpianatra eo anivon’ity sekoly ity ihany ny hetsika, amin’io andro io. Ny mpianatra eo anivon’ny sekoly fampianarana […]

Jejy Music – Fampianarana: nodimandry Razakamahefa Hery

Iray amin’ireo nahavita be teo amin’ny tontolon’ny hira, Razakamahefa Hery. Tazana matetika teo amin’ny fandrindrana sy fitendrena ary fampianarana mozika izy. Nisy rahateo ny andian-javamaneno sy toerana fampianarana nametrahany ny dian-tanany… Lavo ny andrarezin’ny mozika ! Nodimandry ny 5 janoary teo Razakamahefa Hery. Iray amin’ireo mpikambana mpanorina ny Jejy Music, […]

Volana janoary : tsy ampy ho an’ny fambolem-bary ny orana

Vinavinaina hanatombo kokoa noho ny tokony ho izy ny rotsak’orana ho azo mandritra ity volana janoary ity ho an’ny faritra Diana, Sava (tapany Avaratra), Sofia (tapany Andrefana), Boeny ary Melaky. Araka ny nambaran’ny gazety isam-bolana mom­ba ny toetr’andro sy ny fambolena nivoaka ny fiando­han’ny herinandro teo, novokarin’ny sampanasa misahana ny […]