Taratra

« Réveillon 2022 » : Maro isafidianana ny tolotra homen’ireo mpanakanto

Misy maro, arakaraky ny fahefa-manaon’ny tsirairay ny fety hamaranana ny taona 2022 sy handraisana ny 2023. Ankoatran’ireo hisafidy ny hijanona an-trano miaraka amin’ny fianakaviana, ireto misy tolotra maromaro iarahana amin’ireo mpanakanto malaza ,ny alin’ny 31 desambra. CCI Ivato –“Golden Hour” Anisan’ireo fety malaza indrindra hamaranana ny taona ny “Golden Hour”, […]

Hatsikana: hisy ny seho “Stand Up” hamaranana ny taona

Hanatanteraka fampisehoana “Stand Up”, eny amin’ny “Madagascar Un­der­ground” Antsa­ha­vola, ny asabotsy 31 desambra 2022, i Raytra Belaw’Yck sy ny namana mpanao hatsikana miaraka aminy. Hanomboka amin’ny 4 ora hariva ny seho. Fam­pi­sehona iarahan’ny “Gasy Stand Uppers” sy ny “Be tige Comedy” izay samy vondrona mpanao “Stand Up”. Hiverina indray ny […]

Nomamoina, nobaboina, nobadoina: norarana fatratra ny fisotroana toaka

Taorian’ny fidiran’ny vahiny teto Madagasikara, maro ny zavatra niova. Saika nahitana izany avokoa ny andavanandrom-piainan’ny Malagasy. Amin’ny ankapobeny, nahita ny tsy fahita, naheno ny tsy faheno, nihinana ny tsy fihinany, nisotro ny tsy fisotrony. Nisongadina be io isaky ny mitotorebika amin’ny fetim-bahiny… Nibahan-toerana ny fibobohana toaka ! Raha ny voalazan’ny tantara, […]

Antoko Natiora : “Foano ny famoahana tsiambaratelom-panjakana”

“Momba ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana, ny olana tsy hoe: marina sa tsy marina? Tsy any ny anay no tanjona. Efa misy rafitra natao hanenjika sy hitsara izany. Firenena no resahina, tombontsoa ambonin’ny firenena no jerena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Natiora, i Mihari Ni-Rencho, manoloana ny fivoahan’ny tsiambaratelom-panjakana. Misy ny tomponandraiki-panjakana […]