Rahampitso no hivalona tanteraka ny taona. Samy efa nahavita ny jery todika sy ny tomban’ezaka avokoa angamba! Mety efa vita hatramin’ny drafitrasa amin’ny taona ho avy aza. Mba nanao ahoana tokoa re izay ny an’ny vahoaka Malagasy tsy vaky volo? Niaraha-mahalala ny fahasahiranana isan-karazany, indrindra ny olana sosialy sy toekarena. […]
Taratra
Voatondro ho nanafika Cash-point : miaramila telo maty an-drano tetsy Ikopa
Nifanena tamin’ny fokonolona, nanenjika mpanafika Cash Point teny Itaosy ny miaramila efa-dahy, hamonjy fodiana. Niharan’ny tora-bato, niala ny lakana niampitany izy ireo. Maty an-drano ny telo. Mpiasa amin’ny Cash point iray kosa, no voatifitra omaly, tetsy Behoririka. Fanafihana cash-point, niafara tamina fahafatesana miaramila telolahy tetsy anatin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy, ny […]
Ambositra : mpivarotra roa maty, jiolahy roa lavo
Nitrangana fanafihana tao amin’ny fokontany sy kaominina Fahizay, distrikan’Ambositra, ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Notafihana andian-jiolahy nirongo basy tamin’izany ny mpivarotra iray eo an-toerana. Vokany, maty voatifitr’ireo mpandroba ny ramatoa tompona tsena sy ny lehilahy iray hafa namonjy voina. Lasan’ireo mpanafika ny vola rehetra sy ny entana maro. Raikitra […]
Famonoana karana : maty voatifitra teny Tsiadana i Davida be
Lavon’ny polisy, omaly teny Tsiadana, i Davida be, jiolahy isan’ireo nanafika sy namono teratany karana iray tetsy Behoririka, ny herinandro teo. Hita tamin’ny “caméra de surveillance” an’ireo voatafika ny endrik’ity jiolahy ity ka nanamora ny fikarohana azy, hoy ny loharanom-baovao iray. Araka izany, fantatra ny mombamomba azy ka notadivina izy. […]
Halatr’omby : tompon’ omby sy jiolahy iray maty voatifitra
Notafihan’ny jiolahy ny tokantrano iray tao amin’ny fokontany Bemasoandro, kaominina Vohimary Atsimo, Distrikan’i Vondrozo, afak’omaly. Voatifitr’ ireo dahalo teo amin’ny tratrany havanana ny tompon’omby ka maty ary lasan’izy ireo ny omby miisa telo. Nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy taorian’izay. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena any an-toerana taorian’izay. […]




