Anisan’ny nitondra ny heviny, manoloana ny fiainam-pirenena, indrindra ny lafiny sosialy ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Nambarany fa very fanahy mbola velona ny vahoaka, amin’izao fotoana izao. “Tena mijaly sy sahirana ny vahoaka ary tsy manana hanin-kohanina hanaovana fety. Tsy fantany ny lalana halehany”, hoy izy, tetsy Anosy, omaly. […]
Taratra
Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka: “Nakan’ny papa Fransoa lesona ny Covid-19”
“Tampoka ny nahatongavan’ny covid-19. Nefa na tampoka aza, tokony hahay handray hatrany ny zava-misy na loza na fahasoavana ny kristianina”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka, ny Mgr Raharilamboniaina Fabien, tamin’ireo hery velona any amin’ny diosezy iadidiany, afakomaly, momba ny hafatry ny papa Fransoa amin’ny fankalazana ny andro faha-56 maneran-tany […]
Vovonana Miaradia : maniry ny hatao faritra faha-24 ny Diaspora
Mba tena ho tompon-draharaha na any lavitra aza. Nirary soa ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Vovonana miara-dia, ahitana antoko sy fikambanana politika maro, eo anivon’ny Diaspora, tarihin-dRasamimanana Hilarion. Natsidik’izy ireo fa hiatrika fifidianana isika. Maromaro ireo fanirian’izy ireo. Eo ny fangatahana ny haha kandidà indray ny filoha […]
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky ny hanadiovana ny tokontany ny MFM
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Anosy, ny jobily faha-50 taonan’ny MFM. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena. Hentitra ny filoha nasionaly vonjimaika, Rakotovazaha Olivier, manoloana izany. “Mila diovina aloha ny tokontany ilalaovana vao miresaka fifidianana isika mba tsy ahatongavana amin’ny ra aman-driaka sy fifandonana”, […]
Behoririka : lehilahy iray maty, voaroba ny 130 tapitrisa Ar
Nirefodrefotra ny basy tetsy Behoririka, omaly. Nanafika atoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 11 ora teo ny jiolahy roalahy. Vokany, lehilahy iray 32 taona maty voatifitra. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 130 tapitrisa Ar. Mpiasa amina “cash point” iray eny an-toerana ity lasibatra. Avy naka vola teny amin’ny banky […]




