Mahatratra 8 ireo olona maty nandritra ny fiverenan’ny rivodoza Freddy teto amin’ ny Nosy, raha ny tatitra voaray avy eo anivon’ny Birao nasionaly momba ny fitantanana ny loza (BNGRC), omaly. Nahitana olona iray maty tao Bekily, 2 avy ao Ampanihy Andrefana, 3 avy ao Morombe ary 2 hafa tao Toliara […]
Taratra
Miralenta – Anjara andraikitra: hialana ny hevi-draikitra napetraky ny fiarahamonina
Niofana mikasika ny lohahevitra mifototra amin’ny tsy fanavakavahana eo amin’ny maha lahy sy maha vavy ireo mpanao gazety omaly. Tanjona ny hialana amin’ny hevi-draikitra rehetra napetraky ny fiarahamonina. Tontosa omaly, tetsy Antaninarenina, ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ny miralenta sy ny herisetra eo amin’ny maha lahy na maha vavy. […]
Rivodoza FrEddy : mbola mitondra rotsakorana be
Omaly maraina, tany amin’ ny 169 km andrefan’i Toliara no nisy ny foiben’i Freddy. 110 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 155 km isan’ora. Any an-dranomasina sy ny morontsiraky ny distrikan’i Toliara sy Betioky Atsimo no voakasik’ireo rivotra ireo mivantana. Mikisaka mianavaratra andrefana izy ka mahafaka 10 km isan’ora. […]
Mahavita taona ny vokatra azo : vehivavy 43 nifehy ny teknikam-pambolena Pfumudza
Vehivavy 43 avy amin’ny faritra 23 no nisitraka fampiofanana momba ny teknikam-pambolena Pfumudza teny amin’ny CAFPA Mahitsy, niarahan’ny fikambanana Fitia sy ny ministeran’ny Fambolena sy fiompiana. Manatsara ny voka-pambolen’ireo tantsaha ary miaro ny tontolo iainana ny fampiasana ny teknika Pfumudza. Tantsaha 5 tapitrisa no efa mampiasa ity teknika ity manerana […]
CEDS andiany faha-19 : nampahalala ny vokatry ny asan’ny fifandraisana
«Fifandraisana : Hanao ahoana ny hoaviny ho an’ny vehivavy ?» Io no lohahevitry ny dinika sy fifampizarana teo amin’ireo andriambavilanitra izay notanterahina omaly, teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Hetsika izay nokarakarain’ ireo vehivavy mpiofana avy amin’ny andiany faha-19 eo anivon’ny CEDS sy ny Club Arisera. Nahitana ny fandraisan’ anjaran’ny klioban’ny mpianatra ao amin’ny sampam-pianarana […]





