Ny mahay rano ihany no maty an-drano! Hita faty nantsingevan’ny ranomasina, omaly Ralaiarinosy Jean Marie 55 taona, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe i Dada mpijibika (mpisitrika) anaty ranomasina. Malaza ho mahay maka trondro anaty ranomamy sy ranomasina izy ary manan-talenta manokana momba izany. Izy rahateo manana fitaovana fampiasany rehefa […]
Taratra
Ambohimahasoa : fiara 4×4 latsaka tany anaty hantsana, olona iray maty
Olona iray maty, telo naratra mafy! Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana nitranga tao Ambohimahasoa, omaly. Fiara 4×4 iray latsaka tany anaty hantsana. Nitrangana lozam-piarakodia nahatsiravina indray teny amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7), tao Ialatsara, fokontany Ampanidinana, kaominina ambanivohitra sy distrikan’ Ambohimahasoa; PK 345 +700, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Raha ny […]
Efitranon’i Messi : nataon’i Qatar tranombakoka
Mbola manakoako any Qatar, hatramin’izao ny akon’ ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja baolina kitra «Mondial 2022”, indrindra fa ny nahazoan’i Arzantina, ny amboara fanintelony. Anisan’ny mahasarika ireo mpizahatany tonga any an-toerana, amin’izao fotoana izao, ny mitsidika ny efitrano nipetrahan’i Lionel Messi. Raha tsiahivina, nitoetra tao amin’ny Oniversiten’i Doha […]
Basikety Analamanga : nilalao tany Antsirabe
Ho fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny ligin’Analamanga basikety, amin’ny ligim-paritra hafa, nanafika tany Antsirabe ny ekipan’Analamanga voafantina, niatrika lalao ara-pirahalahiana. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, Andriatsima Hery fa natao izao fifanakalozana izao hampitomboana ny lentan’ny mpilalao, na ny mpilalaon’i Vakinankaratra izany, fa indrindra ny mpilalao avy eto Analamanga. Eo ihany koa […]
Kianja Rabemananjara : hametrahana bozaka vaovao
Noho ny fitarainan’ny mpijery baolina kitra ao Mahajanga, mahakasika ny fahasimban’ny kianja Rabemananjara, namaly ny hetahetan’izy ireo ny filohan’ny Repoblika Malagasy, Rajoelina Andry, amin’ny fanamboarana izany. Asa izay efa natomboka tamin’ny alatsinainy 26 desambra lasa teo. Marihina fa ny tomponandraikitra ao amin’ny kianja Rabemananjara OGSR (Organe de Gestion de Stade […]




